๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐๐ง๐๐ฉ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ฎ ๐ข๐๐ฉ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐๐ง๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐ฅ๐ค๐๐ฏ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐ฉ๐จ๐๐ ๐๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ). ๐๐๐ซ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ค ๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ง๐๐๐๐๐ ๐ซ๐๐ฉ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐๐๐ค๐ข๐๐ ๐๐ง๐-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐.
ATSIMO ANDREFANA : Katsaka efa simba 166 lasaka no hitanโny mpanara-maso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Atsimo Andrefana nandritra ny fitsirihana natao tao amin’ny trano fitehirizan’entana iray tao Andranomena, Kaominina Betsinjaka, Toliara 2 tamin’ny Alakamisy 10 Septambra 2026. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo ary nampiantsoina ho tonga eny aminโny biraonโny Fitaleavam-paritra ny tomponโandraikitra. Teo am-panaovana fanavahana ny katsaka moa ireo mpiasa no tratranโny mpanara-maso.
AMORONโI MANIA : Ny Zoma 11 Septambra 2026 lasa teo no nanatanterahana tao Ambositra ny fandoroana entana lany daty nogiazana, vokatry ny fisavana nataonโny ekipanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Amoronโi Mania. Nahitana karibonetra, bisky, zava-pisotro, savony, vovon-tsavony, yaourt, dibera, paty, cracky sy zavatra hafa koa ireo entana ireo. Mitentina 3032000Ar izy rehetra. Nanatrika ny fandevonana ireo entana lany daty ireo ny teo anivon’ny Fokontany, ny Prefektiora ary ny Zandarimaria.
ALAOTRA MANGORO : Entana lany daty nogiazana ny taona 2025 sy 2026 koa no nopotehina sy nodorana tao Ambatondrazaka ny Alarobia 9 Septambra 2026. Anisanโireo nandraisana fepetra ireo ny ronono mandry 5 baoritra, ranom-boankazo 10 baoritra ary vatomamy misy tahony 5 fonosana. 820000Ar no teti-bidinโireo entana nolevonina ireo.
