๐๐๐ง๐๐ฃ-๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐๐ข๐๐๐๐๐. ๐๐๐จ๐ฎ ๐๐ฏ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐๐๐๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐จ๐๐ฃ๐ฎ. ๐๐๐ฃ๐ค๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
ANOSY : Marin-toerana ny vidinโny vary ao Taolagnaro tato anatinโny telo herinandro misesy, araka ny tatitry ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Anosy ny 17 Aogositra 2026. Ho tonga anio any an-toerana koa ny vary 10 000 taonina hamatsiana ny mponina.
– 800Ar no ividiananโny mpanjifa ny iray kapoaka aminโny vary gasy any Taolagnaro aminโizao fotoana izao raha 700Ar ny vary nafarana.
ITASY : Nahitana fidinany 200Ar isa-kilao kosa ny vidinโny siramamy any aminโny Faritra Itasy raha ampitahaina aminโny herinandro lasa. Marin-toerana ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN) hafa. Ny 17 Aogositra 2026 lasa teo ny ekipanโny DRCC Itasy no nanao fitsirihana teny an-tsena.
– 4 000Ar โ 4600Ar/kg ny siramamy nafarana raha 3600Ar โ 4400Ar no ividianana ny siramamy vokarina eto an-toerana any Miarinarivo.
– 1400Ar โ 1600Ar/kg ny vidinโny vary akotry Manalalondo. 2300Ar โ 2500Ar kosa ny vary fotsy (Riz blanc) Manalalondo.
AMORONโI MANIA : Tsy dia misy fiovana ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro raha mitaha ny tamin’ny herinandro lasa:
– Vary fotsy vokatra eto an-toerana : 1900Ar โ 2300Ar/kg. Manodidina ny 250 taonina ny tahiry.
