Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 Aogositra 2026 tao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, ny andiany voalohany amin’ny Foire Économique Vak’Ranty.
Nanomboka tamin’ny diabe namakivaky ny tanàna ny hetsika, izay nandraisan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana anjara.
Ny tanjona ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana t@ izany Foire Vak’ranty izany dia ny 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐝𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨, 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐫𝐚𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚.
Amin’ny maha mpanohana ofisialy ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, niaraka tamin’ny PA ZLECAf dia nanatanteraka atrikasa nandritra ny roa andro tao anatin’izany foire izany:
𝟏𝟒 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 – 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐲 𝐚𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐙𝐋𝐄𝐂𝐀𝐟
Ny atrikasa dia nifantoka tamin’ny fanomezana fahalalana ireo mpisehatra ara-toekarena momba ny fahafahana ara-barotra omen’ny ZLECAf, ary ireo fanamby tokony hatrehina mba hahafahan’ny vokatra Malagasy miditra sy mifaninana amin’ny tsena afrikanina. Marihina moa fa nandray anjara tamin’izany ireo solontena avy ao amin’ny Prefektioran’Antsirabe, ny Faritra Vakinankaratra, ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny, ireo mpandraharaha, kaoperativa, ary indrindra ireo mpisehatra amin’ny fanondranana entana.
𝟏𝟓 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 – Famelabelaran-kevitra momba ny tsena afrikanina sy iraisam-pirenena: nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe:
« Fampiroboroboana sy fampifandraisana ireo hery sy fahafahana ara-toekarena ananan’i Madagasikara amin’ny tsenan’ny ZLECAf sy ireo tsena iraisam-pirenena hafa ».
Tsiahivina moa fa ny ZLECAf dia sehatra iray lehibe hanitarana ny tsena ho an’ny vokatra Malagasy. Noho izany, ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, dia manohy ny ezaka amin’ny fampahafantarana, fampifandraisana ary fanohanana ireo mpandraharaha Malagasy mba hahafahan’izy ireo misitraka bebe kokoa ireo fahafahana ara-barotra misy.
𝐌𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚, 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚.
