𝙉𝙖𝙣𝙖𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙩𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙤𝙡𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙆𝙤𝙢𝙞𝙩𝙮 𝙣𝙖𝙨𝙞𝙤𝙣𝙖𝙡𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙩𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙋𝙄𝘾 3 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙨𝙖, 𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙠𝙖𝙩𝙤𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝘿𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧’𝙖𝙨𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙩𝙞𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙞𝙨𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 (𝙋𝙏𝘽𝘼) 2027.
Nandritra ny fivoriana tetsy amin’ny Hôtel Le Louvre Antaninarenina no nanehoana ny asa vita sy ireo mbola hotanterahina, ary nametrahana ny fandaharan’asa sy ny teti-bola ho an’ny taona 2027, mifanaraka amin’ny tanjon’ny Tetikasa sy ny fepetra takian’ny Banky Iraisam-pirenena.
Miompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fifaninanana ara-toekarena, ny fanohanana ny PME, ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena (agribusiness) ny PIC 3.
Faritra sivy sy kaominina miisa 164 no hisitraka ny fanohanana, ka tanjona ny hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana. Araka izany, vinavinaina ny famoronana asa hatramin’ny 25 000 isa amin’ireo faritra izay iseharan’ny Tetikasa PIC3.
Nitarika ny fivoriana tetsy Antaninareninana ny Mpandrindra nasionalin’ny Tetikasa PIC 3, Ladislas Adrien RAKOTONDRAZAKA.
Anisan’ny mpikambana ao amin’ny Komity nasionaly mpitantana nanatrika ny fivoriana ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta.
Ho an’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) dia nilaza ny Minisitra fa hohamafisina, amin’ny taona 2027, ny fampandehanana ny Sehatra nomerika ALALANA, amin’ny alalan’ny fanohanana ara-pitaovana toy ny solosaina. Eo ihany koa ny fampahafantarana sy fanentanana ireo mpandraharaha mpanondrana mahakasika ny fenitra takiana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ireo vokatra manan-danja, mba hahamora ny fitadiavana lalam-barotra sy tsenam-barotra ary fampiroboroboana ny fanondranana azy ireo mankany ivelany.
