๐๐ค๐ฃ๐๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ซ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ก๐๐ข-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐ค๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐๐๐๐ ๐๐ฉ๐ค ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐๐๐๐๐ซ๐๐ข-๐๐๐๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐๐ค๐ก๐ฎ ๐ค๐ซ๐ฎ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐จ๐๐๐ค, ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
Hiakatra eto Antananarivo hihaona aminโireo tomponโandraikitra eny aminโny Toeram-pivarotana lehibe ireo tantsaha mpamokatra ovy avy any Faratsiho, Faritra Vakinankaratra rahampitso Talata. Efa nisava lalana azy ireo taminโny dinikโasa niarahana taminโny Super U, Score ary Leader Price ny Zoma 20 Novambra 2026 lasa teo ny Tale misahana ny Fifaninanana sy ny fandrindrana ny tsena (DCRM) sy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Analamanga sy Vakinankaratra.
Any Faratsiho, na mbola tsy aminโny vidiny ilร n’ny tantsaha azy aza ny ovy dia efa nahitana fiakarany. ยซ ๐๐ช๐ข๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข 470 ๐๐ณ๐ช๐ข๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ท๐ช๐ฅ๐ช๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐บ ๐ข๐ฎ๐ฃ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐ช๐ท๐ช๐ฅ๐ช๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ’๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐จ๐ฐ๐ฎ-๐ฃ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฐ๐ท๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐จ๐ข๐ฎ๐ข๐ด๐ฐ ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข 300 ๐ข๐ณ๐ช๐ข๐ณ๐บ ๐ต๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข. ๐๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฏ๐ฐ๐ฉ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ต๐ข๐ฉ๐ฐ๐ณ๐ข๐ฏ’๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐จ๐ฐ๐ฎ-๐ฃ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐ข๐ฐ ๐ฉ๐ฐ ๐ท๐ช๐ฅ๐ช๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฐ๐ท๐บ ยป, hoy ny mpisehatra avy any an-toerana.
Herinandro lasa izay, ny 16 Novambra 2026, dia nidina tany Faratsiho nihaona taminโireo mpamboly sy kaoperativanโny mpamboly, ny Filohanโny Tranobenโny Tantsaha ary ny mpanangom-bokatra, ny delegasiona avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra, sy ny tomponandraikitry ny fambolena any aminโny Faritra. Manodidina ny 50 ireo mpisehatra ovy tonga nivory. Nandray anjara taminโizany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Faratsiho sy ny Lehibenโny Distrika.
Nivoitra fa 7700 ha ny velaran-tany voavoly ovy any Faratsiho ary eo amin’ny 90300 taonina eo ny vokatra miakatra. Anisanโny fahasahiranana sedrainโny tantsaha ny fitehirizana ny ovy satria 3 andro ihany no ahafahana manao izany.
