𝙉𝙤𝙝𝙖𝙢𝙖𝙛𝙞𝙨𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙧𝙖𝙞𝙠𝙚𝙛𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙆𝙖𝙤𝙢𝙞𝙨𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙛𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙛𝙚𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙕𝙇𝙀𝘾𝘼𝙛
Tafiditra anatin’ny Tetikasa fanohanana ny fanatanterahana ny Faritra malalaka ara-barotry ny Kaontinanta afrikana (PA-ZLECAf) ny fampiofanana ireo Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina.
Nifototra tamin’ny fampahafantarana ny ZLECAf izay nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny 2025 sy fanamafisana traikefa hifehezana izany tsena midadasika izany ny tapany voalohany tamin’ity fihaonana ity.
Nojerena ireo tombontsoa andrasana amin’ny fisokafan’ny tsenan’ny ZLECAf izay misy mponina 1,4 lavitrisa. Nohazavaina koa ireo fepetra takiana amin’ireo mpandraharaha ahafahany mitady lalam-barotra, ary ny fampiomanana ny mpanjifa amin’ny fisokafan’izany tsena lehibe izany.
Ny ampaham-potoana faharoa kosa dia nifanakalozan-kevitra mikasika ny fifampitondrana sy ny fiainana ankapobeny eo anivon’ny sendika, ary mba hifanakaikezan’ireo samy Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana bebe kokoa.
Nisolo tena ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) nanokatra ny fampiofanana ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (DGCIC) Natolotriniaina FANOMEZANTSOA. Nitarika ny fampiofanana kosa ny Talen’ny Fifandraisana iraisam-pirenena sy ny Fampidirana ara-toekarena (DRIIE) Holy RANDRIAMIFIDY.
