Fanehoana ny maha-izy azy sy ny andraikitry ny Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana ny hetsika ho tontosaina eny amin’ny Parvis Analakely. Mifamatotra tanteraka amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fifaninanana sy ny iraka ankinin’ny Fitondrana Fanavaozana aminy izany.
Tranoheva 24 no hisokatra ho an’ny rehetra mandritra ny roa andro na mpanjifa izy, na mpandraharana, na mpianatra, na olon-tsotra. Hisy koa ny Famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fametrahana fifaninanana madio sy mangarahara. Hitondrana valiny, miaraka amin’ny PA ZLECAF koa ny hoe : Ahoana no atao hampiroboroboana ny varotra ivelany toy ny eo amin’ny tsenan’ny ZLECAF (Faritra ara-barotra malalaky ny Kaontinanta Afrikana) ?
Ireo Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana mpikambana ao amin’ny Sendika SACCC (Syndicat Autonome des Commissaires du Commerce et de la Concurrence) dia hanamafy fahaiza-manao etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny 20 Novambra 2026 maraina. « 𝘏𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘰𝘷𝘺 𝘵𝘢𝘥𝘪𝘯-𝘥𝘰𝘬𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘈 𝘡𝘓𝘌𝘊𝘈𝘍 𝘪𝘻𝘢𝘩𝘢𝘺 𝘮𝘣𝘢 𝘩𝘪𝘵𝘰𝘷𝘺 𝘭𝘦𝘯𝘵𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘪𝘧𝘦𝘩𝘦𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰 𝘵𝘴𝘦𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘪𝘰 », hoy ny Filohan’ny Sendika SACCC, Anicette RAHARIMALALA.
Ho an’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana dia fifanohanana amin’ireo Vondron’asa matihanina misy eo anivon’ny Minisitera ny toy izao. Ankoatra ny fiarovana ny mpanjifa dia nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny Ministera, Gilchrist RAKOTOSON, Gilchrist fa « 𝘩𝘢𝘯𝘦𝘩𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 ».
Hamarana ny Fankalazana ny jaobily Diamondrany eny amin’ny Espace Rose By Pass ny Vondron’asa matihanin’ny Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana ny harivan’ny 20 Novambra 2026.
