๐๐ค๐ง๐๐๐จ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐ ๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ข๐๐๐จ๐๐๐๐ค๐ง๐ค ๐๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ฎ, ๐ ๐๐๐ฃ-๐๐๐ง๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐.
Nasianโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, tsindrim-peo, nandritra ny fifampiresahana, ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa. Notanisainy manokana ny hivelaranโizany aminโny ny fiarovana ny zonโny mpanjifa, ny fanamafisana ny fahaiza-manaonโireo mpiasanโny Minisitera, ny fanohanana ny fananganana foibe fandoroana ireo vokatra lany daty na tsy azo amidy intsony, ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny varotra.
Ny Masoivoho frantsay kosa dia nanamarika, eo aminโny varotra ivelany, fa mbola manana fahafahana lehibe hampiroboroboana ny sehatry ny famokarana sy ny fanodinana, indrindra mikasika ny kafe i Madagasikara. Ilaina, hoy izy, ny ezaka hampivelarana ity sehatra ity, mba tsy hijanona ho vokatra jifaina eto an-toerana ihany ny kafe malagasy, fa hahafahana mampiroborobo azy eo aminโny tsena iraisam-pirenena ihany koa.
Ny Fihaonana an-tamponโny Vaomieranโny Ranomasimbe Indiana aminโny volana Martsa 2027 dia heverina ho sehatra iray ahafahana manokatra lalana ho aminโny fifanarahana ara-barotra eo aminโi Madagasikara sy ireo fari-tany frantsay toa anโi Mayotte sy La Rรฉunion.
Samy naneho fahavononana hanamafy sy hampivelatra ny fiaraha-miasa ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON sy ny diplomaty frantsay. Hisy ny fihaonana eo aminโireo teknisiananโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana sy ny AFD (Agence Franรงaise de Dรฉveloppement), handinihana aminโny antsipirihany ireo sehatra sy fomba azo anatanterahana ny fiaraha-miasa, ho fampandrosoana ny sehatry ny varotra sy ny fanjifana eto Madagasikara.
Niara-dia taminโny Ambasadaoro frantsay taminโizao fihaonana taminโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana izao rahateo ny Talenโny AFD eto Madagasikara, Nicolas LE GUEN.
