๐ผ๐ฃ๐ฉ๐ค๐ฃ-๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ (๐๐๐๐) ๐๐๐๐๐รซ๐ก ๐๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐๐ผ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ ๐ ๐ง๐ค๐ ๐จ๐ค๐จ๐ค๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ข๐ ๐ก๐๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ค๐ง๐.
Nasehonโny Fitondram-panjakana taminโny fitokanana ny biraonโny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina any Vakinankaratra fa laharam-pahamehana ny fiahiana ny mponina. Nambaranโny Filohanโny Fanavaozana, tao Antsirabe, fa tonga ny tenany hampahatsiahy ireo tomponโandraiki-panjakana rehetra tsy ankanavaka mba hanavao izay azo havaozina ary hampahery azy ireo aminโny fanatontosana ny andraikiny.
Natao hanatsarana ny fanatanterahana ireo andraikitra ara-tsosialy sy ny fanohanana ireo fianakaviana sahirana ity birao vao notokanana ity.
Ny folakandro dia nanome voninahitra ny lanonam-pamaranana ny hetsika ara-panatanjahanatena sy kolontsaina ยซ Universiade ยป nandraisanโireo mpianatra eny aminโny Anjerimanontolo manerana ny Nosy anjara ny Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA. Tao anatinโny toetsaina mandala firaisankina sy fihavanana moa no nanatanterahana ny fifaninanana nandritra ny roa andro.
Nanotrona ny Filohanโny Fanaovaozana mivady, tany Antsirabe, ny Mpanolotsaina Avonโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara, ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry, ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON sy mpikambana samihafa ao aminโny Governemantany ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana sady Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, Haingotiana ANDRIAMADISON.
