๐๐๐ฏ๐๐ง๐ ๐ฉ๐ง๐๐๐ ๐๐๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ซ๐๐ฉ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐ค๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ก๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃรจ๐ซ๐, ๐๐ค๐๐จ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐จ๐ค๐ก๐ค๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ฉ๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
Manamafy ny ezaka ho anโny fangaraharana sy fanatsarana ny varotra iraisam-pirenena i Madagasikara. Nandritra ny fihaonana an-databatra boribory, nokarakarainโny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Varotra (OMC) niaraka taminโny GIZ, tany Genรจve no niresahan-dRamatoa Diana Irina ZAFIARIVELO ireo olana sedraina sy ny fomba fanao tsara azo ampiharina ho fanatanterahana ny AFE.
Nosoritsoritanโity solontena avy aminโny Komity Nasionaly misahana ny Fanamorana ny Fifanakalozana ara-barotra (CNFE) ity ny fandrosoana sy ny asa tanterahina mahakasika ny fampiharana ny andininy faha-6 aminโny AFE. Tafiditra ao anatinโizany ny fanadihadiana sy fanangonana antontan-kevitra momba ny sarany sy ny haba ampiharina aminโny fanafarana sy fanondranana entana, ary koa ny sazy mifandraika aminโizany.
Nandray anjara taminโizany fihaonana izany, izay tohananโny TFAF, i Niger, Kenya ary ny Repoblika Kirghize, niaraka taminโireo mpiara-miombonโantoka ara-teknika sy ara-bola.
Ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ity fihaonana ity dia manamafy ny fahavononan’ny Fanjakana hanohy ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny fomba fiasa ara-barotra, mba hisianโny tontolo ara-barotra mangarahara, azo antoka ary manamora ny fivezivezenโny entana.
