𝙈𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙤𝙫𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙙𝙖𝙣𝙟𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙚𝙛𝙚𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖, 𝙖𝙢𝙗𝙤𝙣𝙞𝙣’𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙫𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙡𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤, 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).
Ny 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚 𝐯𝐚𝐯𝐞𝐧𝐭𝐲 miditra sy mivoaka ny Faritra Androy no notsarain’ny teknisiana avy amin’ny Sampandraharahan’ny refy sy lanja misahana ny Faritra Analamanga, Androy ary Atsimo Andrefana ny 28 Oktobra 2026 lasa teo. Niarahana nanatanteraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Androy ny asa. Isan-taona moa no hanamarinana io mizana elektronika lehibe fandanjana fiara vaventy io. Nahazo fankatoavana ara-dalàna ka azo ampiasaina tsara ny fitaovana.
Nidina teny Aranta, toerana famonoana omby hamidy ao Mahajanga ny ekipan’ny Sampandraharaham-paritry ny Refy sy Lanja (SMRL) any Boeny ny 29 Oktobra 2026. Miisa 11 ny 𝐦𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐚 hita tao. Ny 4 tamin’izany no efa vita fitsarana saingy tsy nitondra ny taratasy famantarana ny fanamarinana (Vignettes de vérification) ny tompony ka nomena taratasy fiantsoana. Ny 7 ambiny kosa dia hita fa mbola tsy nandalo fitsarana ka nomena taratasy fiantsoana ihany koa ny tompony. Efa nisy ireo nitondra ireo fitaovam-pandanjana hotsaraina tao amin’ny SRML.
Roa andro, ny 23 sy 24 Oktobra 2026, no nanamarinana ny rafi-pandrefesana manontolo tao amin’ny toeram-pitsinjarana solika Total ao Ambilobe. Anisan’ny asa natao tamin’izany ny fijerena ny fantsona andehanan’ny solika sy ny sinibe izay tokony tsy hanary, ary ny fanamarinana ny refy.
Ny 26 Oktobra 2026 dia mbola nisy koa ny fanamarinana ara-potoana ny fitaovana mpandrefy solika 4 ao amin’ny 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐨𝐥𝐢𝐤𝐚 ao Vohémar.
