𝙏𝙖𝙧𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙢𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙚𝙣𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙠𝙖𝙤𝙥𝙚𝙧𝙖𝙩𝙞𝙫𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙫𝙞𝙣𝙖𝙣𝙮.
Kaoperativa misehatra amin’ny lavanila, tantely ary lohamenaka avy amin’ny jirofo any amin’ny Faritra Fitovinany ireo nisitraka ny fampiofanana ireo. Tao amin’ny tranom-pokonolona Manakara Be no nanatanterahana izany ny 26 hatramin’ny 28 Oktobra 2026.
Nitarika ny fifampizarana ny ekipa avy amin’ny Biraon’ny Fenitra eto Madagasikara (BNM). Nanao tantsoroka ny Tetikasa PIC 3 (Pôles Integrés de Croissance).
Tanjona tamin’izao fanofanana izao ny hirosoana amin’ny maha-matihanina kokoa amin’ny famokarana sy ny fikirakirana ny vokatra mba hahafahana mamaly ny filan’ny tsena. Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana.
Tonga nanatrika izany ny solotenam-panjakana avy ao amin’ny Faritra sy ny manampahefana eny anivon’ny Kaominina Manakara ary ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana (DRCC) sy ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena ary ny Fitaleavam-paritry ny Fiompiana.
