๐๐๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐ค๐๐๐ข๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ ๐ค๐ง๐ ๐ฃ๐๐ก๐๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฏ๐๐ซ๐๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐ฎ ๐๐ฉ๐ค ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ ๐๐๐ข๐๐ ๐ฎ ๐ก๐๐ ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐๐๐ฉ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ.
Tafiditra anatinโny Iraka ara-toekarena sy ara-barotra hataonโi Madagasikara any Thaรฏlande ny fandraisana anjara aminโny Salon In Cosmetics Asia 2026 ny 03-04-05 Novambra 2026 any Bangkok. Paikady hanitarana ny tsena ivelanโi Eoropa mba hampitomboana ny fahafahana manondrana sy hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra aminโireo firenena aziatika koa izany.
Taminโny taona 2025 dia nahatratra 66 %-nโny fanondranana menaka manitra sy akora nalaina avy aminโny zavamaniry malagasy no nalefa tany Azia. Tanjona ny hampitomboana ny habetsahanโny vokatra aondrana, sady hitazonana sy hanatsarana hatrany ny kalitaony.
Mifanohana aminโizao fandraisana anjara aminโny Salon In Cosmetics Asia 2026 izao ny Vondronโireo mpanondrana lohamenaka sy akora nalaina avy aminโny zavamaniry eto Madagasikara (GEHEM) sy ny Tetikasa PIC (Pรดles Intรฉgrรฉs de Croissance) ary ny Ministeranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
Nambaranโny Lehibenโny Sampandraharaha misahana ny Fampiroboroboana ny Fanondranana Entana any ivelany eo anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), Domoina RAKOTOVAO fa ยซ ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐บ ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ, ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ช๐ต๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ณ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ญร ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ช๐ต๐บ ๐ช๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ช๐ต๐บ ๐ข๐ฏ๐บ ๐๐ฉ๐ขรฏ๐ญ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ฆ ๐ช๐ต๐บ ยป. Ankoatra ny fanondranana dia zava-dehibe ihany koa ny fampiroboroboana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana, mba hampitomboana ny tombam-bidinโizy ireny sy hitondra tombontsoa ho anโny toekarem-pirenena sy ny mpanjifa malagasy, hoy izy nandritra ny valandresaka ho anโny mpanao gazety tetsy Analakely.
Hotanterahina ny fihaonana ara-barotra mivantana (B2B) eo aminโireo mpandraharaha malagasy sy ireo mpiara-miombonโantoka any Thaรฏlande, mba hananganana fiaraha-miasa sy hisarihana ireo mpampiasa vola.
