𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙨𝙤𝙣𝙜𝙖𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙠𝙖𝙡𝙞𝙩𝙖𝙤 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙫𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙠𝙖𝙠𝙖𝙤 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙚𝙤 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙧𝙚𝙝𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙖𝙩𝙞𝙝𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙨ô𝙠ô𝙡𝙖 𝙨𝙮 𝙥â𝙩𝙞𝙨𝙨𝙚𝙧𝙞𝙚 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙧𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙣𝙮.
Orinasa malagasy miisa 7 miaraka amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny Filankevitra Nasionaly momba ny Kakao (CNC) no miatrika ny Salon du Chocolat et de la Pâtisserie de Paris 2026 any Parisy amin’izao fotoana izao. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Sekeretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Gilchrist RAKOTOSON.
Tanjona amin’izao fandraisana anjara amin’ity hetsika lehibe fanao isan-taona ity izao ny fanamafisana ny fanandratana ny kakao malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, fampivondronana ny tantsaha sy ny mpandraharaha ary fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny sehatry ny kakao eto Madagasikara.
Anisan’ny mpiara-miombon’antoka naneho fahavononana hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny kakao ny Orinasa frantsay iray AMAYA AG. Ny CNC no mpandrindra eo amin’ny lafiny teknika eo amin’izany fiaraha-miasa izany. Ao anatin’ny delegasiona avy eto Madagasikara lasa any Parisy moa ny Filoha lefitry ny CNC sady Filohan’ny Filankevitry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Kakao (ICCO) Philippe FONTAYNE.
Nampiavaka ny fandraisan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana anjara amin’izao hetsika izao koa ny fihaonana tamin’ny Ambasadaorin’i Madagasikara any Frantsa. Fotoana nahafahan’ny Masoivoho nifampiresaka tamin’ireo mpisehatra malagasy eo amin’ny kakao. Nanome lanja io hetsika io tokoa ny Ambasadaoro mba ho fanohanana sy ho fampiroboroboana ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nanohana izao fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny Salon du Chocolat et de la Pâtisserie de Paris 2026 izao ny Tetikasa PIC 3 (Pôles Intégrés de Croissance) izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Nilahatra tamin’ireo matihanina avy any Côte d’Ivoire, Pérou, Venezuela, Équateur, Taïwan, France, Belgique, Allemagne, Royaume-Uni, Chine sy firenena hafa koa i Madagasikara.
