๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐จ๐๐ ๐๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ ๐ค๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐๐ข๐๐๐๐๐ ๐๐๐จ๐ค๐ง๐ค๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐๐ ๐๐๐๐๐ฅ๐ค๐๐ฏ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐ฉ๐จ๐๐ ๐๐๐ค.
MENABE : Nanentana sy nanome toromarika ho anโireo mpivarotra hanimasaka tao Morondava Centre sy Namahora ny teo anivonโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana (DRCC) Menabe ny 14 Oktobra 2026. Hetsika niarahana nanatontosa taminโny mpiasanโny Kaominina ambonivohitra Morondava. Anisanโny fepetra nampahatsiahivina azy ireo, ho fitandremana amin’ny fikarakarana sakafo, ny momba ny fanomanana sy fitehirizana ny mayonnaise indrindra amin’izao vanim-potoana mafana be izao, ny fampiasana menaka mandry, ary indrindra indrindra ny fahamailoana lalandava amin’ny fijerena ny daty fetra farany azo ampiasana ny vokatra sy kojakoja anamboarana sakafo toy ny paty, menaka, dipoavatra. Notsindriana manokana ny momba ny fanajana ny tahanโny hatsiaka ilaina amin’ny vata fampangatsiahana sy ny fitandrovana hatrany ny fahadiovana, hisorohana ny mety hisianโny tranga fahapoizinana ara-tsakafo.
BONGOLAVA : Nitsidika ireo toeram-pisakafoana sy fivarotana hanimasaka koa ny DRCC Bongolava sy ny Borigady mpanara-maso ny fahadiovana eo anivonโny Kaominina ambonivohitra Tsiroanomandidy ka natomboka tao aminโny Fokontany Amboasary kely izany ny 14 Oktobra 2026. Toeram-pisakafoana 2 sy mpivarotra hanimasaka 4 no nanaovana fanentanana momba ny fahadiovanโny sakafo. Natoro azy ireo koa ny fepetra tsy maintsy hajaina rehefa mivarotra sakafo sy ireo antontan-taratasy ilaina aminโizany asa izany.
IHOROMBE : Niara-dalana koa ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana sy ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Ihorombe taminโny alalanโny mpanara-maso ny fahadiovana, taminโny fidinana ifotony ny 16 Oktobra 2026 tao Ihosy. Gargoty 8 no notsirihana. Ny tanjona tamin’izany dia ny fijerena sy fanentanana ireo mpivarotra sakafo masaka ny amin’ny tokony hitandrovan’izy ireo ny fahadiovana eo amin’ny lafiny fikirakirana, fandrahoana sy fivarotana ny hanimasaka, mba hisorohana hatrany ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo.
