๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ข๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐จ๐ฎ ๐จ๐๐ก๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ก๐๐ฃ๐ฎ (๐๐๐) ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ, ๐๐ง๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ข๐ ๐ก๐๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ซ๐๐ซ๐ฎ, ๐๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐ ๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
Nanokatra taminโny fomba ofisialy, taminโny anaranโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, ny lanonana fanombohana ny Fandaharanasa TRISEG tetsy aminโny CCIA Antaninarenina ny Tale Jeneralinโny Varotra ivelany, Tiava RAJOHNSON. Notsindriany fa mifanaraka aminโny laharam-pahamehanโny Minisitera ny TRISEG, indrindra aminโny fanohanana ny orinasa malagasy sy ny fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana eny aminโny tsena iraisam-pirenena. โ๐๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ง๐ช๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ข๐ต๐ช๐ข๐ฏ๐ข (๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ณ๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข)โ, hoy ny Tale jeneraly nandritra ny lahateniny.
Miaraka aminโny Birao kanadiana misahana ny fanamorana ny varotra (TFO Canada) ny fanatanterahana ny ity fandaharanasa TRISEG ity izay hanome tari-dalana sy fanohanana ireo PME aminโny fanondranana. Maherinโny 200 ny orinasa kendrena hahazo tombontsoa aminโizany.
Anisanโny vokatra malagasy manana fahafahana hiditra aminโny tsena kanadiana ny lavanila, ny lohamenaka azo avy aminโny zavamaniry, ny jirofo ary ny letisia.
Aminโny alalanโny TRISEG, ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, sy ireo mpiara-miombonโantoka toy ny Antenimieranโny Varotra sy Indostria dia mikendry ny hanatsara ny fifaninananโireo PME, hanamora ny fahazoana mari-pankatoavana ilaina ary hampifandray azy ireo aminโireo mpividy sy mpiara-miombonโantoka ara-barotra.
Dingana lehibe hanamafisana ny varotra ivelany sy hampiroboroboana ny vokatra malagasy izao fiaraha-miasa eo aminโi Madagasikara sy Kanada izao. Hitohy hatramin’ny taona 2030 ny TRISEG.
