๐๐๐ฃ๐ ๐๐ก๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ค๐๐๐จ๐๐๐ก๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐๐ค๐ฃ๐ ๐๐๐๐-68 ๐ฃ๐๐๐๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ฉ๐จ๐ค ๐ฃ๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ข-๐ฅ๐๐๐ง๐๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐๐๐๐ฎ, ๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ (๐๐๐๐) ๐๐ค๐ก๐ค๐ฃ๐๐ก๐ฎ ๐๐๐๐๐รซ๐ก ๐๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐๐ผ ๐ข๐๐ซ๐๐๐ฎ.
Matso nandraisanโny miaramila sy sivily anjara no ivonโny fankalazana ny 14 Oktobra tany Antsohihy. Taorianโny filaharanโny avy aminโny Tafika malagasy, Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena, mpandraharahanโny Fonja dia nifanjohy nandalo nanoloana ny manampahefana teo aminโny Seranam-piaramanidinโAmbalabe ireo solontena avy aminโny Faritra sy fikambanana isan-tsokajiny.
Vahiny manokana nanatrika izany ny Filohanโny Antenimieram-pirenena any Tchad, Ali Kolotou Tchaรฏmi. Nanotrona ny lanonana ny Mpanolotsaina avonโny Fanavaozana mirahalahy, ny Filohanโny Antenimieram-pirenena ary mpikambana maro ao aminโny Governemanta ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Talohanโizay dia nisy ny fitsidihanโny Filohanโny Fanavaozana ny trano fonenanโny Filoha voalohanโny Repoblika tao Anahidrano. Teo aminโny lavarangana fikabarianโny Filoha Philibert TSIRANANA izy no nanambara taminโny vahoakanโAnahidrano fa mbola tsy mahaleotena i Madagasikara. ยซ ๐๐บ ๐ฆ๐ป๐ข๐ฌ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ฏ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข ๐๐ฉ๐ช๐ญ๐ช๐ฃ๐ฆ๐ณ๐ต ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฏ๐ฐ ๐ฉ๐ช๐ฆ๐ป๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ต๐ฐ๐ฉ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฉ๐ข๐ญ๐ฆ๐ฐ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ฉ๐ฐ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ ยป, hoy ny Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA.
Sakafo mita-pihavanana ยซ Velatsihy ยป tao aminโny biraonโny Faritra Sofia no namaranana ny Fankalazร na.
