๐๐๐ฃ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐๐ค ๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ ๐ ๐๐๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐ก๐๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ (๐๐๐๐), ๐๐ค๐ก๐ค๐ฃ๐๐ก๐ฎ ๐๐๐๐๐รซ๐ก ๐๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐๐ผ.
Fangataham-pitahiana sy vavaka manokana ho anโny Firenena tao aminโny EKAR Saint-Paul Ambalabe ao Antsohihy no nanombohana ny Fankalazana ny nahaterahanโny Repoblika. Nanotrona izany ny Filohanโny Fanavaozana mivady, ny Mpanolotsaina avonโny Fanavaozana mirahalahy, mpikambana ao aminโny Governemanta, manamboninahitra sivily sy miaramila ary olom-panjakana maro.
Taminโizany no nitondranโny Filohanโny Fanavaozana, Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA, fanazavana manodidina ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fanovana toe-tsaina tia kolikoly. Nambarany fa fotoana manan-tantara aminโny Firenena izao ary ny olana ara-tsosialy no vahana fa tsy olana ara-politika.
Nankahery ny FFKM moa ny Filoha ao anatinโizao fikaonandoham-pirenena izao.
Tao Anjiamangirana, nandritra ny fitokanana ny EPP Philibert TSIRANANA nohavaozina dia mbola niantso fahatongavan-tsaina ho anโny rehetra ihany ny Filoha. Nohamafisiny fa mila mifoha ary miezaka hahaleo tena, indrindra aminโny lafiny toekarena fa tsy hiankin-doha ny Malagasy. ยซ ๐๐ฃ๐ฐ๐ญ๐ข ๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ-๐ฌ๐ข๐ง๐ข ๐ฏ๐ฐ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ง๐ข ๐ฎ๐ช๐ญ๐ข ๐ฎ๐ช๐ง๐ฐ๐ฉ๐ข ๐ช๐ด๐ช๐ฌ๐ข. ๐๐ช๐ญ๐ข ๐ฎ๐ช๐ข๐ช๐ฏ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ยป, hoy izy.
Tamin’ny fihaonany tamin’ny vahoakan’Antsohihy sy Faritra Sofia teo amin’ny Kianja fanaovam-baolina ao Antsohihy, ny hariva kosa, no nilazan’ny Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA fa misy antony nisafidianana an’Antsohihy nanatanterahana izao fankalazana izao. Niainga avy any amin’ny Faritra Sofia ny fanirian’ny Malagasy hahaleo tena nefa tsy tanteraka.
Isika tsy handroso velively, hoy ny Filoha, raha mbola tsy miala eo ambany vahohon’ny fanjanahan-tany. ยซย ๐๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ฏ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ-๐ต๐ข๐ฏ๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ฆ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ฐ๐ท๐ข๐ฐ ๐ฏ๐ฐ ๐ช๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ช๐ป๐ข๐ฐ ยซย .
Nisy ny famaliany ampahibemaso ireo fangatahana sy hetahetan’ny mponina ao Antsohihy.
Manatrika ny Fankalazana ny 14 Oktobra any Antsohihy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Lohahevitra enti-manamarika izany ny hoe ยซ ๐๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข : ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ๐๐ข๐ฉ๐ข๐ญ๐ฆ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ยป.
Ivonโny fankalazana ny Matso ho tanterahina ao Antsohihy rahampitso 14 Oktobra 2026, aorianโny fitsidihana any Anahidrano.
