𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙩𝙤𝙢𝙥𝙤𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙧𝙤 𝙣𝙤 𝙚𝙛𝙖 𝙩𝙤𝙣𝙜𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙩𝙨𝙤𝙝𝙞𝙝𝙮.
Mpikambana 7 ao amin’ny Governemanta, nahitana ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON, no nigadona tao Antsohihy, renivohitry ny Faritra SOFIA omaly atoandro. Noraisina tao amin’ny Seranam-piaramanidina koa, taorian’izay ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika Thierry RAMPANARIVO. Hanatrika ny fankalazana ny 14 Oktobra, vaninandro nahaterahan’ny Repoblika voalohany izy ireo. Hanotrona izany any an-toerana koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), Kolonely Michaël RANDRIANIRINA.
🚨Omaly hariva ihany dia nihazakazaka teny amin’ny Hopitaly CHRR ao Antsohihy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta nijery ireo mpampivelona niharan-dozam-pifamoivoizana, raha iny teny an-dalana hihazo an’Antsiranana, hamonjy asa iny. Mpampivelona 17 moa no niray fiara fitaterana ka mpandeha iray mpikambana amin’ny Holafitry ny mpampivelona no namoy ny ainy.
➡️Noraisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fampodiana ny razana ho any amin’ny fianakaviany.
Manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly CHRR Antsohihy kosa ireo mpandeha 16 maratra ka ny 4 amin’izy ireo izay voa mafy dia hampiakarina maika ho tsaboina aty Antananarivo.
Mandray an-tanana ny fitsaboana ireo mpampivelona maratra ireo ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo mpikambana amin’ny Governemanta izay ao Antsohihy amin’izao fotoana izao.
🗓️Hatomboka amin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ao amin’ny EKAR Ambalabe Antsohihy izay arahina fitokanana fotodrafitrasa isan-karazany any Anjiamangirana sy ao Antsohihy anio ny Fankalazana ny nahaterahan’ny Repoblika Voalohany.
Ny 14 Oktobra rahampitso dia hitohy any Anahidrano ny fandaharam-potoana. Aorian’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo anoloan’ny tsangambaton’ny Filoha voalohan’ny Repoblika dia hisy ny fitsidihana ny trano nonenany teo aloha. Hanamarika izany ny matso lehibe eo amin’ny Seranam-piaramanidina Philibert TSIRANANA ao Antsohihy.
