Hoy ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON : » 𝘐𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘭𝘢𝘭à𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘪𝘱𝘪𝘬𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘪𝘯𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘻𝘺 𝘮𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘣𝘦𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘯𝘵𝘴𝘰𝘯𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘰 « .
Hentitra ny Lehiben’ny Governemanta nandritra ny fihaonany tamin’ireo Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale sy tompon’andraikitra misahana ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ireo Minisitera isanisany, ny Sabotsy 10 Oktobra 2026 lasa teo, raha nampita ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana momba ny ady amin’ny kolikoly. « 𝘐𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘴𝘢𝘩𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘢𝘭𝘦𝘰 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺, 𝘴𝘢𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘵𝘰𝘬𝘰𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘳𝘦𝘴𝘢𝘬𝘢 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 », hoy izy.
Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), notarihin’ny Sekretera jeneraly Gilchrist RAKOTOSON.
Nanome toromarika moa ny Praiminisitra amin’ny tokony hamafisina, eny anivon’ny Minisitera tsirairay, ny rafitra anatiny misahana ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly, ary tokony handray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra manoloana ireo fandikan-dalàna sy fandikan-dalàna ara-pitantanana miseho eo anivony.
Ho an’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana manokana dia efa mijoro ny Foibem-pitondrana misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny Ady amin’ny kolikoly (DAILAC).
Ny 23 Jolay 2026 no natolotry ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON an-tanana ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Gaby Nestor RAZAKAMANANTSOA, ny Politika anatin’ny Minisitera iadiana amin’ny kolikoly na PILCC.
