𝙑𝙖𝙧𝙮 𝙨𝙮 𝙡𝙖𝙛𝙖𝙧𝙞𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙚𝙣𝙩𝙞𝙣𝙖 305 538 000 𝘼𝙧 𝙫𝙤𝙖𝙩𝙚𝙧𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙣𝙤𝙙𝙤𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝘼𝙩𝙨𝙞𝙢𝙤 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙚𝙛𝙖𝙣𝙖
Naharitra hateloana ny fandevonana an’ireo vary 2664 gony sy lafarinina 390 lasaka tao Andakoro, Kaominina Betsinjaka any amin’ny Distrikan’i Toliara II. Vita tanteraka ny 05 Oktobra 2026 tamin’ny 5 Ora hariva ny asan’ny Fitaleavam-parity ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsimo Andrefana momba izany.
Tsy maintsy nirosoana moa ny fandoroana ireo vary sy lafarinina ireo noho ny fahasimbana vokatry ny fahamaizan’ny trano fitehirizan’entan’ny Orinasa VELONA RIZ. Ny tompon’ny entana ihany no nangataka ny handevonana azy ireo ho fiarovana ny mpanjifa.
