๐๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ![]()
๐๐ ๐ฉ๐ค๐๐ง๐ 2026 ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ข๐๐จ๐ค๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐, ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ง๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ ๐พ๐๐๐ 2026 ๐ง๐๐๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ![]()
๐๐ ๐ฉ๐ค๐๐ง๐ 2026 ๐ ๐ค๐จ๐ ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ง๐ช๐ข.
Nomena tombonโandro mbola hahafahany misoratra anarana ireo mpandraharaha liana aminโny Foara Iraisam-pirenena momba ny Fanondranana any Sina na CIIE 2026 izay ho tanterahina any Shanghai ny 05 hatraminโny 10 Novambra 2026 ho avy izao, sy ny Forum any Beijing ny 11 hatraminโny 14 Novambra 2026.
Raha sehatra ifanakalozana ara-barotra ny CIIE dia fihaonana mivantana eo aminโireo mpandraharaha sy fitadiavana fiaraha-miombonโantoka, indrindra aminโireo mpisehatra sinoa ny Forum.
Nambara taminโny fampitam-baovao tetsy aminโny CCIA Antaninarenina fa tanjona aminโireo hetsika roa ireo ny fanamafisana ny fifandraisana eo aminโi Madagasikara sy i Sina, fampiroboroboana ny varotra, indrindra ny varotra ivelany, ary fisarihana ireo mpampiasa vola vahiny ho tonga eto amintsika. Hisy ny fampahafantarana ireo sehatra azo iaraha-miasa misy eto Madagasikara ary fanasana ireo mpisehatra ara-toekarena sy ara-barotra ao Sina hifandray sy hiara-hiasa aminโny mpandraharaha eto Madagasikara.
Notsindrianโny Tale Jeneralinโny Varotra Ivelany (DGCE) eto aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, Tiava RAJONSON fa tena mifameno ireo hetsika roa hatao any Sina ireo. Ho entina hampisongadinana ny ยซ Vita malagasy ยป sy ny vokatra toy ny kafe, lavanila, divay, kakao sy henanโondry ary koa ny vokatra avy aminโny harena an-kibonโny tany, hitadiavana lalam-barotra sy tsena vaovao ary hampitombo sanda ny vokatra eto an-toerana, indrindra hananganana fiaraha-miasa maharitra.
Ho anโireo mpandraharaha vonona aminโny fandraisana anjara dia azo atao eny aminโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (CCI) 24 manerana anโi Madagasikara, ny Federasionanโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (FCCIM), ny Antenimieranโny Varotra Sina-Madagasikara (CCCM) ary ireo Minisitera voakasikโizany ny fisoratana anarana. Azo ampiasaina koa ny adiresy mailaka federation.cccim@gmail.com na federationcci@gmail.com sy ny laharana 0386999999.
