𝙉𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙛𝙚𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙚𝙫𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙨𝙮 𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙩𝙨𝙤𝙝𝙞𝙝𝙮 𝙨𝙮 𝙉𝙤𝙨𝙮 𝘽𝙚.
SOFIA : Entana lany daty sy simba mitentina 22 tapitrisa Ariary no nodorana tao Bekitrobaka any Antsohihy ny 01 Oktobra 2026. Milanja 2 taonina ireo entana ireo izay nahitana paty, bisky, fromazy, ranom-boankazo, vatomamy sy zavatra hafa koa. Teo anatrehan’ny Ben’ny Tanànan’Antsohihy, ny Kaomiseran’ny polisy ao an-toerana ary ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka no nanatanterahan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Sofia ny fandevonana.
DIANA : Rano fisotro lany daty amin’ny tavoahangy miisa 4016 no nopotehina tany Nosy Be ny 01 Oktobra 2026. Izany dia tohin’ny fangatahana an-taratasy nataon’ny Orinasa STAR, napetrany tao amin’ny Sampandraharaha misahana ny Varotra sy ny Fanjifana ao Nosy Be, noho ireo rano fisotro ireo tsy mety amidy intsony. Tao amin’ny foiben-toeran’ny orinasa ihany no nanatanterahana ny famotehana ny entana.
ANALAMANGA : Nogiazana avy hatrany ireo entana lany daty toy ny silicone sy loko teny amin’ny quincaillerie iray eny Ambohipo nandritra ny fitsirihana notanterahan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Analamanga. Tamin’ireo mpivarotra enta-madinika, quincailleries, fivarotan-kena 22 narahi-maso dia nahitana tsy fanarahan-dalana avokoa ny 13. Nampanantsoina eny amin’ny birao ireo tsy nanara-dalàna.
