๐๐๐ฉ๐๐ค ๐จ๐ค๐ฃ๐๐ ๐ฉ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ซ๐ค๐ฉ๐๐ก ๐ผ๐ก๐๐ง๐ค๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ค๐ข๐๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ ยซ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐จ๐ฉ๐ ยป ๐๐ค ๐ข๐๐ง๐๐ ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐ง๐๐ฃ-๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ข๐ฅ๐ฎ ๐ฉ๐๐ค๐ฃ๐.
Raha 18 taona no taona ahafahanโny ankizivavy manambady, araka ny Lalร na, dia nasongadina nandritra ny Atrikasa teny Alarobia fa mbola ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-mientana ho fiarovana. Manan-danja lehibe aminโizany ny fanamafisana ny Lalร na, ny fanabeazana, ny fampahafantarana ny rafitra fanairana, hatrany aminโny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindomin-doza.
Nanokatra taminโny fomba ofisilay ny Atrikasa ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina (MPS), Voahanginirina Cathia RAKOTONIAINA. Nanotrona kosa ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON, tsy aminโny maha-tomponโandraiki-panjakana azy ihany fa indrindra aminโny maha-vehivavy sy renim-pianakaviana azy koa.
Teo koa ireo Solombavambahoaka voafidy tany aminโny distrika samihafa ary ireo mpiara-miombonโantoka isan-tsokajiny.
