« 𝘔𝘪𝘢𝘷𝘢𝘬𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘷𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘬𝘢𝘰𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘴𝘢𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘰𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘦𝘬𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘬𝘢𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺. 𝘌𝘧𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘫𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘬𝘢𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 », hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana sady Filohan’ny Filankevitra nasionaly momba ny kakao (CNC), Haingotiana ANDRIAMADISON.
Mifanindry indrindra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny kakao ny fanatanterahan’ny Filankevitra Nasionaly momba ny Kakao ny fivoriany etsy Antaninarenina.
Nohararaotin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany hampitana hafatra mikasika ny toeran’ny kakao malagasy sy ny fandaharanasa hanandratana hatrany ity vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ity.
Ny CNC izay tarihin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana no mamaritra sy mamolavola ary mampihatra ny paikady ;
Azon’i Madagasikara ny fitarihana ny Filankevitry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny kakao ;
Nosoniavin’ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON ny Fifanarahana stratejika iraisam-pirenena momba ny kakao ny 27 Aogositra 2026 ;
Ary handalo eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy Filankevitry ny Minisitra ny Politikam-pirenena momba ny kakao.
