𝘼𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙛𝙚𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙚𝙣𝙟𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙨𝙮 𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖 𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖-𝙙𝙤𝙯𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖.
BETSIBOKA : Entana lany daty sy tsy manaraka fenitra milanja 1 taonina sy sasany izay mitentina 14 tapitrisa Ariary eo ho eo no nodorana tao Maevatanana androany 29 Septembra 2026. Vokatry ny asa fitsirihana ny tsena nataon’ireo mpanaramaso avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifanana, tao amin’ny Distrikan’i Maevatanana, no nahatrarana ireo entana ireo.
Notanterahana teo anatrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ny fandorana.
DIANA : Ireo tsena sy toeram-pivarotana miisa eny amin’ny toby fivarotana solika 4 ao Antsiranana sy Nosy Be no nidinan’ny ekipan’ny DRCC DIANA nanaovana ny fanadiovana ny 24 Septambra 2026. Tratra tamin’izany ny entana lany daty toy ny ranomboankazo 1,5 litatra 8 tavoahangy, ranomboankazo 125ml 15 tavoahangy, bisky singany 10, couche bébé 5, serviette hygiénique miisa 12, vovon-tsavony 2 fonosana ahitana singa maromaro avy, paty 5, lafarinina anaty fonony 2.
Noesorina avy hatrany teo amin’ny toerany ireo entana ireo hiandrasana ny fotoana hanapotehana azy. Nampanantsoina ary nomena fampitandremana ny tompon’andraikitra.
ITASY : Entana lany daty vitsy dia vitsy no hitan’ny mpanaramaso nandritra ny hateloana nidinany tany amin’ny kaominina Anosibe Ifanja sy Sarobaratra ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, ny 22 hatramin’ny 24 Septambra 2026. Mpivarotra telo no nahatratrarana ireo entana tsy azo amidy intsony, dibera 2, ranomboankazo madinika amin’ny tavoahangy plastika 3, yaourts 2, ireo.
