M𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝘼𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙝𝙖𝙢𝙚𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙠𝙖𝙛𝙚 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).
Solontena avy amin’ny sehatra samihafa, manerana ny Nosy, no namaly ny fanasàn’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MIASA) hiatrika ny atrikasa nasionaly ho fanomanana ny fandaharan’asam-pirenena hanatsarana ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny kafe eto Madagasikara.
Mpandray anjara avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Varotra ivelany (DPEE), ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Kalitao sy ny Famonosana (SQC) ary ireo Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) any amin’ireo Faritra voakasiky ny sehatry ny kafe toa an’Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Vatovinany, Matsiatra Ambony ary Atsimo Atsinanana.
Izaràn’ireo solontena avy amin’ny MinCC ny traikefany ireo lafiny mifandraika amin’ny kalitao, fanomezana lanja ny vokatra, fampitomboana ny fifaninanana ary ny fahazoana miditra amin’ireo tsena, izay fototra manan-danja amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny kafe eto Madagasikara.
