๐๐๐ซ๐ค๐๐ฉ๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐, ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐ค๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฝ๐๐ฃ๐ ๐ฎ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐, ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ฃ๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ค๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐.
Mpikambana sasantsasany ao aminโny Governemanta no niatrika dinikโasa momba ny fandraharahana ara-toekarena mifototra aminโny sehatry ny fambolena (agribusiness), niaraka taminโireo tomponโandraikitra ao aminโny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika.
Taminโio fihaonana tetsy aminโny MEF Antaninarenina io no nanoloranโireo Minisitra ny tetikasa avy aminโny Departematany avy ilร na famatsiam-bola avy aminโny Banky Iraisam-pirenena.
Taminโny fandraisam-pitenenany no nanazavanโny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa lafiny iray izay tsy tokony ho hamaivanina ao aminโny rojo-pihariana ny famarotana. ยซ ๐๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฎ๐ช๐ญ๐ข ๐ง๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ณ๐ช๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ญร ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข, ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ฆ๐ง๐ข๐ด๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฉ๐ฐ๐ฎ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฏ๐ช๐ท๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ณ๐ฐ๐ซ๐ฐ-๐ฑ๐ช๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐บ ยป, hoy izy nanoloana anโireo tomponโandraikitra ao aminโny Banky Iraisam-pirenena.
Nitondranโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana fanitsiana moa ny filazana fa miandany aminโny mpanafatra entana avy any ivelany ny Minisiterany. Anatinโny famokarana sy ny fifaninanana eo aminโireo vokatra avy any ivelany sy ny avy eto an-toerana aza dia omena fiarovana manokana ny mpamokatra eto an-toerana. ยซ ๐๐ช๐ข๐ณ๐ฐ ๐ง๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐ข๐ฏ-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ข๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ฆ๐ฑ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข ๐ง๐ข๐ฏ๐ช๐ต๐ด๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ท๐ฐ๐ข๐ฌ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐๐๐๐ย ยป.
Mbola asa lehibe iandraiketanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana koa ny fitadiavana lalam-barotra. Anaovana ezaka, araka izany, ny hahatonga ny entana avy eto Madagasikara ho afaka mifaninana eo aminโny tsena iraisam-pirenena, hifanaraka aminโny fenitra takiana ary hisy karazany maro. Angatahantsika fanohanana avy aminโny Banky Iraisam-pirenena izany, hoy ihany ny Minisitra, mba hanomezany antsika famatsiam-bola hahafahana mitady tsena bebe kokoa aminโny fanofanana ireo mpanondrana entana, fametrahana fotodrafitrasa toy ny laboratoara hahazoana manamarina, alohanโny fanondranana, fa tsara kalitao ny entana ho alefa any ivelany.
Ankoatrโizay ny fanofanana momba ny teknika enti-manadihady mitondra aminโny famoahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra.
