๐๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐ฉ๐จ๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ยซ ๐ฉ๐ค๐ก๐ค๐ฃ๐ ยป ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ 2025 ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐๐ข๐๐๐ฉ๐ค ๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฏ๐๐ข-๐๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐ค ๐ฉ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐-๐๐ค๐๐ฃ๐ฉ ๐๐๐๐๐ ๐ ๐ผ๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐ ๐ผ๐ข๐๐ค๐๐๐๐๐๐ฎ.
Nanome voninahitra izany ireo Mpanolotsaina avonโny Fanavaozana ny Repoblika 4 mirahalahy, ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON sy ny mpikambana ao aminโny Governemanta ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Tonga teny Ambohidahy nanotrona ny fanamarihana ireo nandray anjara taminโny tolona, ireo fianakavianโizay namoy ny ainy, ny avy aminโny Komity miaro ny Tolona sy sokajinโolona sy tomponโandraikitra hafa koa.
Nisy ny fanaovanโireo Mpanolotsaina avo sonia ny Boky volamena ho raki-pahatsiarovana.
Herintaona lasa izay, ny 25 Septambra 2025, ny fotoana nanehoanโny vahoaka malagasy, indrindra ireo tanora, ny hetahetam-panavaozana ho anโny Firenena.
ยซย ๐๐ช๐ซ๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข, ๐๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ฌ๐ช๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ช๐ฏ๐ซ๐ข๐ฏ๐ข๐ฌ๐ขย ยป
