๐๐๐ฃ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐๐ ๐ค๐ฉ๐ง๐ฎ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐ฉ๐๐ค๐ง๐๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐๐๐๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐ฅ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐๐ค๐ก๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃ’๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐, ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐จ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐๐ฉ๐๐ค๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐.
Roa sosona ny hetsika fividianana vary mivantana nataon’ny SPM androany. Nitarika ny fanokafana izany ho an’ny Faritra Vakinankaratra tao Betafo ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sady Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, Haingotiana ANDRIAMADISON. Any Tanambe ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, kosa ny Sekretera jeneralin’ny Minisitera.
ยซย ๐๐ด๐ข๐ฐ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ต๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฌ๐ข๐ต๐ฐ๐ข๐ท๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฎ๐ฆ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐ถ๐ฃ๐ท๐ฆ๐ฏ๐ต๐ช๐ฐ๐ฏ ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐๐ ๐ต๐ข๐ฐ๐ณ๐ช๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฆ๐ด๐ฆ๐ฏ-๐ฅ๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ข, ๐ต๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ฐ๐ญ๐ขย ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON nanoloana ny manampahefana sy ny tantsaha mpamboly vary tao Betafo.
Nambarany moa fa fepetra vonjimaika ihany izao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tantsaha, noho ny fikorontanan’ny vidim-bary, fa efa mandray ny andraikitra tandrify azy avy ny Minisitera voakasika ho amin’ny vahaolana maharitra.
Nampitondra teny fisaorana ho an’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM) noho ny fankasitrahany izao fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana izao ny solontenan’ny mpamboly, Andriamatoa Mamimalala Holiniaina monina ao Andriamasoandro Betafo.
Amin’ny vidiny 1500Ar no andraisan’ny SPM izay orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny vary akotry 1 kilao eny amin’ny tantsaha.
Ho an’i Betafo dia vary akotry hatramin’ny 50 taonina no horaisin’ny SPM amin’izao voalohany izao.
Ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro dia mitotaly 1500 taonina ny vary hovidian’ny SPM ato anatin’ny telo andro: 700 taonina ao Tanambe, 500 taonina ao Andilamena ary 300 taonina ao Ampitatsimo Ambatondrazaka.
