๐๐ค๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐, ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐, ๐๐๐ฉ๐๐ค๐ซ๐๐ข-๐ฅ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ (๐ ๐๐ฉ ๐จ๐๐ค๐ก๐๐๐ง๐) ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐ง๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ค ๐ฏ๐๐ฃ๐๐ ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐ง๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐๐๐-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฝ๐๐๐๐๐ก๐๐ช๐งรฉ๐๐ฉ, ๐๐ง๐ฎ ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐จ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ง๐๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃ-๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฉ๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ซ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ ๐ค๐ก๐ฎ ๐ฉ๐๐ค๐ง๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ก๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐. ๐๐๐ฉ๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐งโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐๐จ๐ค๐ก๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ ๐ค๐จ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐ข๐๐ค๐๐ง๐ ๐๐ฏ๐ค๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ง๐.
![]()
ยซ ๐๐ข๐ณ๐ช๐ฌ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ฌ๐ข๐ต๐ช๐ข๐ท๐ข๐ฏ๐ข, ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข-๐ฎ๐ช๐ฆ๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ณ๐บ ๐ง๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ฌ๐ช๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) raha niarahaba sy nankasitraka ireo zanaky ny mpiasanโny Minisitera vao afaka taminโny fanadinam-panjakana farany teo izy ka nanome fitaovam-pianarana ho azy ireo. Tsy diso anjara taminโizany koa ireo izay hiverina an-dakilasy indray hiatrika ny taom-pianarana vaovao. Hafatra nataonโny Minisitra taminโizy ireo ny hifantohany foana aminโny fianarana ka tsy ho voasarika aminโny rendrarendra samihafa.
![]()
Fotoana nandraisana ireo mpanao fanatanjahantena eto aminโny MinCC nandray anjara taminโny ASIEF tany Manakara koa ny androany, nandritra ny fananganan-tsaina. Nitondra medaly volamena 8 sy medaly volafotsy 14 nody izy ireo.
Momba ireo asa tanterahana eto aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana dia nanaovanโny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON tatitra taminโny mpiara-miasa :
– Ny fanitarana hatraminโny 2028 ny fisitrahanโi Madagasikara ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ka ahafahana manohy ny fanondranana entana tsy misy haban-tseranana mankany Etazonia ;
– Ny fanaovan-tsonia ny Fifanekena iraisam-pirenena momba ny kakao niaraka taminโny ICCO (International Cocoa Organization) hanandratana hatrany ny kakao malagasy ;
– Ny fihatsaranโny vidinโny lavanila raha mitaha aminโny vidy (prix de rรฉfรฉrence) napetraky ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy),
– Ny fampiatoana ny fakana haban-tseranana sy hetra aminโny fanafarana vary hitsinjovana ny mpanjifa,
– Ny fividianana vary akotry mivantana eny aminโny tantsaha mpamboly aminโny alalanโny SPM mba tsy hahafaty antoka azy ireo.
