๐๐๐จ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐จ๐ค๐ง๐๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ง๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐๐ค๐ฃโ๐ ๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ ๐พ๐๐๐ 2026
Handray anjara aminโny ๐พ๐๐๐ 2026 ๐ฃ๐ฎ ![]()
๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ![]()
๐๐ค๐ซ๐๐ข๐๐ง๐ 2026 ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฃ๐๐๐๐ i Madagasikara. Tranoheva 4 no hampirantiana ireo vokatra misongadina avy eto amintsika.
Anisanโireo haseho any Shanghai ny vokatra manandratra ny vita malagasy toy ny lavanila, kakao, loha-menaka, ireo vokatra asa-tanana, mba hampahafantarana azy ireo eo aminโny tsena sinoa. Hisy koa ny fihaonana B2B izay hifantoka aminโny varotra, ny fampiasam-bola ary ny fiaraha-miasa aminโireo sehatra stratejika.
Nambara tetsy aminโny CCIA Antaninarenina fa misokatra ny fisoratana anarana ho anโireo mpandraharaha eto Madagasikara maniry handray anjara. Azo atao aminโny alalanโny Antenimieranโny Varotra sy ny Fanjifana (CCI) 24 manerana anโi Madagasikara, ny Federasionanโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (FCCIM), ny Antenimieranโny Varotra Sina-Madagasikara (CCCM) ary ireo Minisitera voakasika izany.
Tanjonโny Iraka ara-toekarena sy ara-barotra any Sina ity ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra aminโi Sina, ary indrindra ny hanokatra sy hampitombo ny fahafahana ara-barotra ho anโireo mpandraharaha sy vokatra malagasy eo aminโny tsena iraisam-pirenena. ยซ ๐๐ป๐ข๐ฌ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐บ ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ช๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ท๐ฆ๐ญ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Tale Jeneralinโny Varotra Ivelany (DGCE) eto aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, Tiava RAJONSON.
