๐๐๐ฉ๐ ๐จ๐ค๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฉ๐ง๐๐ฉ๐๐๐๐ ๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐ค ๐๐ฏ๐๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐ค๐๐ค๐ง๐ค๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐จ๐๐๐-๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐ค ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ.
Ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON ho anโny andaniny malagasy ary ny Tale mpanatanteraka ao aminโny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny kakao (ICCO) tetsy ankilany, no nanasonia ity Fifanarahana hampandrosoana ny kakao ity, tetsy aminโny Hรดtel Colbert Antaninarenina.
Izao dingana vita izao dia ho fanatanterahana ny paikady sy drafi-pampandrosoana narafitry ny Filankevitra Nasionaly momba ny Kakao (CNC) volana vitsy lasa izay, nampianโny adisisika nataonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
Manan-danja lehibe ity fanaovan-tsonia ity ho voninahitrโi Madagasikara satria manana ny toerany maneran-tany ny vokatra kakao eto amintsika izao nosokajianโny ICCO ho ยซ 100 % manan-tsiro sy hanitra miavaka ยป.
Nambaranโny Praminisitra fa manohana tanteraka io seha-pihariana io izay tena rehareham-pirenena ny Fitondram-panjakana ary hijery izay mbola hampiroborobona ny fandrosoany ihany koa. Nankasitrahany moa ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON izay sady Filohanโny CNC sy ny ekipa mpiara-miasa taminโny fahavitrihana eo aminโny fandraisana andraikitra tanteraka.
Ho anโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana dia ao ambadiky ny kalitaonโny kakao malagasy sy ny vidiny izay miakatra hatrany dia misy ireo mpamboly sy mpamokatra izay miasa mafy isanโandro. ยซ ๐๐ฐ๐ฉ๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ, ๐ฏ๐บ ๐ต๐ข๐ฏ๐ซ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ท๐ฐ๐ข๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ช๐ข๐ณ๐ฐ ๐ด๐บ ๐ฉ๐ช๐ต๐ข๐ฉ๐ช๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ข๐ญ๐ช๐ต๐ข๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ข๐ฌ๐ข๐ฐ, ๐ข๐ณ๐บ ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ฐ๐ฏ๐จ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ข๐ญ๐ช๐ต๐ข๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ป๐ฐ ๐ญ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ฐ๐ฌ๐ฐ๐ข, ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ป๐ฐ๐ข๐ฏโ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ฐ๐ข ๐ฃ๐ฆ๐ฃ๐ฆ ๐ฌ๐ฐ๐ฌ๐ฐ๐ข ยป, hoy izy tetsy Antaninarenina.
