Manentana ny mpivarotra ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) tsy hanolotra intsony ny mpanjifa ireo entana efa lany daty sy simba, na fanafody izany ny karazan-tsakafo sy zavatra fihinana, na kojakoja fampiasa andavanandro. Azon’ireo mpandraharaha ara-barotra atao tsara ny manao fanambaràna ny fisian’ny entana lany daty ao aminy aty amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana na any amin’ireo Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy.
Tamin’iny herinandro lasa iny, entana isan-karazany lany daty mitetina 20 tapitrisa Ariary tany Tsaratanana sy milanja 150 kilao tany Fenoarivo Atsinanana no tsy maintsy nodorana sy nolevonina mba hisorohana ny mety ho voka-dratsiny eo amin’ny mpanjifa.
Mitondra ny fanazavana ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Yolandine NAMBOHOE VENON.
