๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐ค ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ-๐ฉ๐๐ข๐ฅ๐ค๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐-46 ๐๐ค ๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ค๐ซ๐๐ง๐ฃ๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐ ๐ข๐๐ซ๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ผ๐ฟ๐พ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ (๐๐๐๐), ๐ฃ๐ฎ ๐รด๐กรด๐ฃ๐๐ก๐ฎ ๐๐๐๐๐รซ๐ก ๐๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐๐ผ.
Anisanโireo Firenena 15 nandray anjara taminโny Fihaonana an-tamponโny Vondrona ho aminโny Fampandrosoana ny Faritra Atsimonโi Afrika (SADC) tatsy Durban, Afrika Atsimo i Madagasikara. Nisolo tena ny Firenena malagasy taminโizany fotoan-dehibe ny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kรดlรดnely Michaรซl RANDRIANIRINA. Niara-dia taminy ny mpikambana telo ao aminโny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Io no Fihaonana an-tampony ara-potoana voalohany natrehinโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara ary nandraisany anjara feno, na taminโny fandraisam-pitenenana izany na taminโny lanonanan ofisialy, na taminโny fanokafana sy famaranana.
Tombony efa anananโireo Firenena mivondrona ao aminโny SADC ireo harena voajanahary maro, na an-dranomasina na an-kibonโny tany, na koa ny isanโny mponina izay mahatratra 400 tapitrisa mahery.
Niompana kokoa taminโny fampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena maharitra sy mampiaty ny lohahevitra nampitondraina ny Fihaonana an-tampony faha-46.
Momba ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara dia nambaranโny Filohanโi Zimbabwe, izay nitantana ny SADC talohanโi Madagasikara, taminโny lahateniny fa nahitana fahombiazana ny fanelanelanana nataonโny iraka manokana (panels of Elders) teo anivonโny SADC aminโny fametrahana fitoniana sy fandriampahalemana eto aminโny Firenena. Eo ihany koa moa ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena, ary mbola ๐ฃ๐๐ฃ๐๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐??๐ค๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐ค๐๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฉ๐๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐๐ฏ๐ฎ ๐๐ง๐๐ค..
