Nandray anjara tamin’ny Fihaonambe faha-46-n’ny Filoham-panjakana sy Filohan’ny Governemanta ao amin’ny SADC i Madagasikara izay tarihin’ny Filoha ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara KOLONELY RANDRIANIRINA MICHAEL , izay nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe: « Indostria mahatohitra, maharitra ary iombonan’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny fanodinana ny fambolena ary ny fanomezana lanja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika, ho an’ny tontolo ara-drariny kokoa. »
Ho an’i Madagasikara, tsy teny fotsiny ny indostria fa fototry ny fahaleovantena ara-toekarena.
Nohamafisina nandritra ity Fihaonambe ity fa ny fanovana ara-toekarena, ny fampandrosoana ny indostria ary ny fanomezana lanja eto an-toerana ireo harena ananan’i Madagasikara dia anisan’ny antoky ny famoronana harena, ny fanomezana asa mendrika ho an’ny tanora ary ny fanatsarana maharitra ny fari-piainan’ny vahoaka.
Ao anatin’ny vina «Fanorenana ifotony na Refondation» dia nametraka tanjona i Madagasikara hampiakatra ny anjara birikin’ny indostria ho manodidina ny 30 % amin’ny harin-karena faobe (PIB) amin’ny taona 2040, raha manodidina ny 15 % izany ankehitriny.
Anisan’ireo laharam-pahamehana ny:
fampandrosoana ireo fotodrafitrasa mamokatra;
fanodinana sy fanomezana lanja ny vokatra avy amin’ny fambolena;
fanodinana eto an-toerana ireo harena an-kibon’ny tany stratejika, toy ny graphite, nikela, kobalta ary ilmenita;
fampidirana bebe kokoa ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany (PME) ao anatin’ny rojo sanda indostrialy.
Ho an’ny Ministera ny Varotra sy ny Fanjifana:
Notsindriana ihany koa fa tsy ampy ny fanamorana ara-barotra raha mbola misy sakana amin’ny fitaterana, ny logistika ary ny fotodrafitrasa.
Ho an’i Madagasikara, firenena nosy, zava-dehibe ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo firenena SADC, ny fanatsarana ny lalam-pitaterana sy ny logistika, ary ny fanamorana ny fivezivezen’ny entana.
Izany dia manana lanja mivantana ho an’ny mpandraharaha, ny mpamokatra, ny PME ary indrindra ny mpanjifa malagasy, satria ny fanatsarana ny famatsiana sy ny fifanakalozana ara-barotra dia manampy amin’ny fampitomboana ny fahazoana entana, ny fanamafisana ny fifaninanana ary ny fanatsarana ny vidin’entana.
Ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana dia manohana hatrany ny ezaka rehetra mikendry ny hanamafisana ny famokarana eto an-toerana, hampiroborobo ny indostria, hanamora ny varotra ary hiaro ny tombontsoan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa malagasy.
Indostria matanjaka. Varotra mirindra. Famokarana eto an-toerana. Mpanjifa voaaro.
Ho an’ny fahaleovantena ara-toekarena sy ny fanambinana iombonana.
