𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀 – 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐓𝐎-𝐌𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀
Mitohy manerana ny Faritra ny ezaka ataon’ireo Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) amin’ny fanaraha-maso sy fitsarana ireo fitaovam-pandanjana, ho fiantohana ny fahamarinan’ny lanja sy ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny varotra andavanandro.
SOFIA
Notanterahina tao Port-Bergé ny herinandro teo ny fitsarana ireo mizana sy fitaovam-pandrefesana, ho an’ny taona 2026.
Fitaovam-pandrefesana: 150
Vato-mizana voatsara: 186
Fitaovam-pandrefesana voatsara: 73
Mizana nasiam-panamboarana: 67
Vato-mizana nasiam-panamboarana: 71
Mbola hitohy any Mampikony ny hetsika fitsarana ireo fitaovam-pandanjana.
HAUTE MATSIATRA
Tany amin’ny Tsenan’Anjoma no nanatanterahana ny fidinana ifotony nataon’ireo mpanara-maso avy eto @ Fitaleavana ny 14 Aogositra 2026.
Ireto avy ireo fitaovam-pandanjana tsy mbola manara-dalàna hita:
Mizana elektronika: 04, mbola tsy voamarina
Mizana Roberval: 01
Vato-mizana: 05
Hitohy any amin’ny Faritra Andrainjato ny fidinana ifotony amin’ny herinandro ho avy.
AMORON’I MANIA
Nanao fisavana tampoka ireo fitaovam-pandanjana ny ekipan’ny DRCC Amoron’i Mania ny Alakamisy 14 Aogositra 2026.
Nahatratra 56 ireo mizana tsy mbola voamarina, ka nentina tany amin’ny birao hanaovana ny fitsarana sy fanamarinana araka ny tokony ho izy.
BETSIBOKA
Tontosa tao amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna ny 14 Aogositra 2026 ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjana.
Ireto avy ireo karazana mizana nandalo fitsarana:
Mizana Roberval: 65
Mizana Bascule: 13
Mizana OR: 48
Mizana fanondro: 05
Mizana elektronika: 12
Nankasitraka ny hetsika ireo mpanjifa sy ny tompon’andraikitra tany an-toerana, satria manampy amin’ny fiarovana ny mpanjifa sy fiantohana ny fahamarinan’ny lanja eny an-tsena izany.
ITASY
Tao amin’ny Kaominina Amboanana, Distrikan’Arivonimamo, no nanatanterahan’ny DRCC Itasy ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjana, ny 12 sy 13 Aogositra 2026.
Ireo fitaovana tsy maintsy iharan’ny fitsarana: 35
Mizana bascule voamarina fa manara-dalàna: 10
Mizana bascule namboarina: 08
Mizana Roberval voamarina fa manara-dalàna: 16
Mizana Roberval namboarina: 08
Vato-mizana voamarina fa manara-dalàna: 24
Vato-mizana namboarina: 08
ANALANJIROFO
Nandritra ireo fidinana ifotony dia notanterahina ihany koa ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjan’ireo mpivarotra.
Nahatratra 475 ny fitambaran’ireo fitaovam-pandanjana notsaraina, ka:
Lany fitsarana:398 ;
Tsy lany tamin’ny fitsaran:77 .
FIAROVANA NY MPANJIFA NO LOHA LAHARANA
Ireo hetsika ireo dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana, amin’ny alalan’ireo DRCC, mba hiantohana fa marina sy manara-dalàna ny fitaovam-pandanjana ampiasaina eny an-tsena.
Ny fitsarana sy fanamarinana ny mizana ary ny vato-mizana dia miantoka ny fahamarinan’ny lanja, miaro ny mpanjifa ary mandray anjara amin’ny fametrahana fifampitokisana sy fahitsiana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.
