𝐍𝐨𝐡𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐚𝐬𝐨 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐝𝐢𝐩𝐨𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐕𝐚𝐭𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲
Notanterahina ny 10 sy 11 Aogositra 2026, tao amin’ny foiben’ny Alliance Régionale du Poivre (ARP) Vatovavy, tao amin’ny Lapan’ny Parlementaire Nosy Varika, ny fivoriana voalohany nataon’ny Filankevi-pitantanana-n’ny ARP Vatovavy.
Notarihin’ny Filohan’ny ARP, ny dinika, ary ny nifantoka tamin’ny Drafitrasa dimy taona na Plan d’Action quinquennal, ka nametrahana ireo paikady sy fepetra lehibe hanatsarana sy handaminana ny sehatry ny poivre ao amin’ny Faritra Vatovavy.
Anisan’ireo fanapahan-kevitra noraisina :
• Hametrahana tsena voafehy (marché contrôlé) ho an’ny poivre, mba handaminana sy hanaraha-maso ny fivezivezen’ny vokatra ary hiarovana ny tombontsoan’ny mpamokatra;
• Hofaritana mazava ireo sokajin’ny mpisehatra ara-dalàna, ka solontena ara-barotra (mandataire), mpanangom-bokatra ary mpanondrana no ekena amin’ny fividianana sy fanondranana poivre;
• Hohamafisina ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny ARP, ireo solontenany isaky ny kaominina ary ny lalàna mifehy ny sehatry ny poivre;
• Hiorina sy hohamafisina ireo fikambanan’ny tantsaha mpamokatra poivre;
• Hapetraka ny fanokafana sy famaranana ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana poivre;
• Hotanterahina ny 𝟐𝟏 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔, 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐒𝐚𝐡𝐚𝐯𝐚𝐭𝐨, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-barotra ho an’ny poivre lourd ao Vatovavy;
Hohamafisina ny fanaraha-maso iarahan’ny tompon’andraikim-panjakana sy ny ARP, mba hiantohana ny fanarahan-dalàna sy hiarovana ny kalitaon’ny poivre.
Tanjona lehibe: fanatsarana ny kalitaon’ny poivre, fampiakarana ny lanjany sy ny vidiny eny an-tsena, ary fiarovana ny tombontsoan’ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpanjifa.
Nanome voninahitra ity fivoriana voalohany ity ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Vatovavy, izay nanamafy ny fahavononan’ny tompon’andraikim-paritra hanohana ireo ezaka rehetra ho fampandrosoana ny sehatry ny poivre.
ARP Vatovavy : ho amin’ny sehatry ny poivre voalamina, voafehy, manara-dalàna ary mamokatra tombontsoa bebe kokoa ho an’ny mpamokatra sy ny mpanjifa
