๐๐จ๐ก๐๐ฆ๐๐๐ข๐ฌ๐ข๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐๐ฆ๐ข๐ง๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐ซ๐๐ก๐-๐ฆ๐๐ฌ๐จ ๐ง๐ฒ ๐ฌ๐๐ก๐๐ญ๐ซ๐ฒ ๐๐ข๐ฉ๐จ๐๐ฏ๐๐ญ๐ซ๐ ๐๐จ ๐๐๐ญ๐จ๐ฏ๐๐ฏ๐ฒ
Notanterahina ny 10 sy 11 Aogositra 2026, tao aminโny foibenโny Alliance Rรฉgionale du Poivre (ARP) Vatovavy, tao aminโny Lapanโny Parlementaire Nosy Varika, ny fivoriana voalohany nataonโny Filankevi-pitantanana-nโny ARP Vatovavy.
Notarihinโny Filohanโny ARP, ny dinika, ary ny nifantoka taminโny Drafitrasa dimy taona na Plan dโAction quinquennal, ka nametrahana ireo paikady sy fepetra lehibe hanatsarana sy handaminana ny sehatry ny poivre ao aminโny Faritra Vatovavy.
Anisanโireo fanapahan-kevitra noraisina :
โข Hametrahana tsena voafehy (marchรฉ contrรดlรฉ) ho anโny poivre, mba handaminana sy hanaraha-maso ny fivezivezenโny vokatra ary hiarovana ny tombontsoanโny mpamokatra;
โข Hofaritana mazava ireo sokajinโny mpisehatra ara-dalร na, ka solontena ara-barotra (mandataire), mpanangom-bokatra ary mpanondrana no ekena aminโny fividianana sy fanondranana poivre;
โข Hohamafisina ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny ARP, ireo solontenany isaky ny kaominina ary ny lalร na mifehy ny sehatry ny poivre;
โข Hiorina sy hohamafisina ireo fikambananโny tantsaha mpamokatra poivre;
โข Hapetraka ny fanokafana sy famaranana ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana poivre;
โข Hotanterahina ny ๐๐ ๐๐จ๐ ๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐๐๐๐, ๐๐จ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐จ๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ง๐ ๐๐๐ก๐๐ฏ๐๐ญ๐จ, ny fanokafana aminโny fomba ofisialy ny taom-barotra ho anโny poivre lourd ao Vatovavy;
Hohamafisina ny fanaraha-maso iarahanโny tomponโandraikim-panjakana sy ny ARP, mba hiantohana ny fanarahan-dalร na sy hiarovana ny kalitaonโny poivre.
Tanjona lehibe: fanatsarana ny kalitaonโny poivre, fampiakarana ny lanjany sy ny vidiny eny an-tsena, ary fiarovana ny tombontsoanโny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpanjifa.
Nanome voninahitra ity fivoriana voalohany ity ny Sekretera Jeneralinโny Faritra Vatovavy, izay nanamafy ny fahavononanโny tomponโandraikim-paritra hanohana ireo ezaka rehetra ho fampandrosoana ny sehatry ny poivre.
ARP Vatovavy : ho aminโny sehatry ny poivre voalamina, voafehy, manara-dalร na ary mamokatra tombontsoa bebe kokoa ho anโny mpamokatra sy ny mpanjifa
