๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ค๐ฉ๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ซ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐จ๐๐ข๐๐, ๐๐ค ๐๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐, ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ง๐๐๐๐๐ ๐ฉ๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐๐๐ค๐ข๐๐ ๐๐ง๐-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐.
BOENY : Notetitetehina tao aminโilay toeram-pivarotana lehibe ao Mahajanga ireo vokatra azo avy aminโny hena voahodina (charcuterie) nogiazana nanomboka ny 15 Jona 2025, nialoha ny nandorana azy teny Mangatokana. Tamin’ny 9 ora maraina ny ekipanโny DRCC no nanomboka ny asa fandevonana ireo entana ireo ary tsy nifarana izany raha tsy taminโny 1 ora atoandro. Nifanome tanana taminโizy ireo taminโizany ny mpanaramaso ny sakafo sy ny kalitaony avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny polisy.
Taorianโizany dia natao ny famonoana izay mety ho otrikaretina tao aminโny efitrano mangatsiaka nitoeranโireo entana nolevonina ireo.
ATSIMO ANDREFANA : Ny Sabotsy voalohan’ny volana Aogositra no nanatanterahana ny fandorana ireo entana lany daty tratra teny an-tsena nanomboka ny volana Desambra 2025 hatraminโny volana Jolay teo. Nogiazana tsy azo nohitihina na nafindra toerana ireo entana ireo mandrapahatonganโizao fotoana nanapotehana azy ireo izao. Nahitana zavapisotro, ranomboakazo, bisky, yaourt, savony, vatomamy isan-karazany, mayonnaise, ronono ireo entana lany daty ireo.
IHOROMBE : Ny Tranombarotra tomponโny entana mihitsy no nanao ny fangatahana hanesorana sy hamotehana ireo entana lany daty tao aminy tany Ihosy. Nanatanteraka ny famotehana ireo entana ireo izay nahitana ranom-boankazo fonosana (pack) 27 ny mpiara-miasa any aminโny DRCC Ihorombe ny 31 Jolay 2026. Nanatrika izany ny solontenan’ilay tranombarotra.
Taminโny 10 ora maraina hatraminโny 11 ora latsaka fahefany ny famotehana izay natao anatin’ny faritra misy ny Biraon’ny Fitaleavam-paritra tao amin’ny Fokontany Fanjakamandroso ihany.
