๐๐๐ฉ๐๐ค ๐ซ๐๐๐ฃ๐๐ค๐๐๐ฃ-๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐ค๐ฃ๐๐๐ข๐๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐๐จ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ซ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐จ๐ ๐๐๐ซ๐๐ก๐ค๐ข๐๐ฃ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐.
Mpikambana 5 ao anatinโny Governemanta no iraky ny Fitondrana Fanavaozana nidina tany Toamasina nijery ny zava-misy sy nikaroka ny fomba hoenti-manarina ny fahavoazana, noho ny haintrano tao amin’ny tsena Bazary kely, ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Niara-dia taminโizy ireo nihaino ny feonโny tra-boina izay nosoloinโny Lehibenโny tsena tena ny Solombavambahoaka voafidy tao Toamasina sy ny Benโny Tanร na. Fanitso, hazo, fantsika, simenitra no filร na maika andrandrain’ireo simba sy potika fananana.
Namaly fitenenana moa ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) Hanitra Velonjara Tiaray RAKOTONANDRASANA izay naneho fa antonโizao dia nanirahanโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra azy ireo izao ny fitadiavam-bahaolana.
Avy hatrany, taorianโizay, dia nivory tao aminโny efitranonโny Pact ireo iraky ny Fitondram-panjakana sy ireo Manampahefana olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, nijery ireo fitaovana sy kojakoja ilaina aminโny fanarenana vonjimaika sy ny tombam-bidinโizany.
Samy nampanantena hitondra ny anjara birikiny ireo mpikambana ao aminโny Governemanta. Ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana manokana dia efa vonona, azo ampiasaina avy hatrany araka izay fandaminana, ny simenitra 100 lasaka sy fanitso 100.
Nanamafy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa hojerena manokana mba tsy hisy fiatraikany amin’ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro ho an’ny mponina manodidina sy ao Toamasina ny fahamaizan’ny Bazary Kely.
Nifanojo indrindra taminโizao fahatongavanโny mpikambana ao aminโny Governemanta any Toamasina izao koa ny fahamaizanโny trano fonenana iray tao Tanamakoa Toamasina ka nizaha izany teny an-toerana ko aizy ireo.
