๐๐๐ฉ๐ค๐ข๐๐ค๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐ฉ๐จ๐๐๐๐ข-๐๐๐๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ค๐ง๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐๐ง๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ข๐๐๐๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ค๐จ๐๐๐ก๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐จ๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ยซ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ง๐๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ ยป ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ ๐๐ ๐๐จ๐๐ฃ๐ (1 000 ๐ผ๐ง ๐ก๐๐จ๐ 1 100 ๐ผ๐ง) ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ค๐๐ซ๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ค๐ฃ๐ฎ ๐ง๐๐๐๐๐ ๐ข๐๐ซ๐๐๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐๐ง๐.
Namaly ny fiantsoanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ka tonga taminโny fivoriana tetsy Ambohidahy ny solontenanโireo orinasa misehatra aminโny fifandraisana an-telefaonina finday, ny avy aminโireo fikambanana mpiaro ny zonโny mpanjifa ary ny Rafitra misahana ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny teknolojianโny serasera na ARTEC.
Nitarika ny dinika ny Tale jeneralinโny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (GDCIC), Natolotriniana FANOMEZANTSOA sy ny Talenโny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), Yolandine NAMBOHOE VENON. Navoitranโizy ireo fa ny antonโny fihaonana ny fitadiavam-bahaolana iarahana, hiarovana ny mpanjifa sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโny Minisitera sy ireo mpisehatra hahafahana mandrindra ny varotra.
Ankoatranโny vidinโny karatra kikisana sy fahana eny aminโny mpaninjara dia voaresaka taminโity fihaonana ity koa ireo olana sy fahasahiranana samihafa tsapanโny mpanjifa mahakasika ny tolotra omen’ny Yas, Orange ary Airtel.
Nifanekenโny mpandray anjara rehetra fa mbola hisy faranโizay haingana ny fivoriana manaraka hitondrana vahaolana mifanaraka aminโireo fitarainana rehetra voaray.
