๐๐ค๐ฉ๐ค๐ ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ค ๐ซ๐๐ค๐ซ๐๐ค ๐๐๐๐จ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐๐พ๐พ (๐ผ๐ช๐ฉ๐ค๐ง๐๐ฉรฉ ๐๐๐ฉ๐๐ค๐ฃ๐๐ก๐ ๐๐๐๐ง๐รฉ๐ ๐๐๐จ ๐๐๐จ๐ช๐ง๐๐จ ๐พ๐ค๐ง๐ง๐๐๐ฉ๐๐ซ๐๐จ ๐พ๐ค๐ข๐ข๐๐ง๐๐๐๐ก๐๐จ) ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐ฎ ๐ฝ๐ฎ ๐๐๐จ๐จ.
Trano lehibe misy rihana telo, ahitana birao 18 sy efitrano fivoriana 3 ankoatranโireo efitra samihafa izay samy manana ny ampiasana azy manokanaโฆIty fotodrafitrasa eny Ifarihy By Pass ity no hisy ny Foiben-toeranโny Fahefam-pirenena misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) manomboka izao.
Nitarika ny lanonam-panokanana ny zava-bita teny Ifarihy By Pass, kaominina Ankaraobato, ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON sy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, notroninโny Minisitry ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina, Solombavambahoaka telo mianadahy ary tomponandraikitra sy solontena avy aminโny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina.
ยซ ๐๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ, ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฅ๐ช๐ฏ๐ข ๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ, ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ฏ๐บ ๐ท๐ช๐ต๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ฎ๐ฐ๐ณ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ช๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ ยป, hoy ny Praiminisitra taminโny lahateniny.
Ny ANMCC moa dia rafitra eo ambany fiahianโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) miandraikitra fanadihadiana ahafahana mametraka fepetra fiarovana ireo orinasa mpamokatra na seha-pamokarana eto Madagasikara, noho ny fitobahanโny vokatra hafarana avy any ivelany na ny fandikan-dalร na aminโny fifaninanana ka miteraka fahavoazana ho azy ireo.
ยซ ๐๐ช๐ต๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ต๐ณ๐ข๐ฏ๐ฐ, ๐ฆ๐ง๐ข ๐ท๐ช๐ต๐ข ๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ณ๐ฆ๐ฉ๐บ, ๐ฅ๐ช๐ข ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ท๐บ ๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ณ๐ฆ๐ฉ๐บ ๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฑ๐ฐ ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ฐ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฐ๐ฎ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON raha nitodika taminโireo mpiara-miasa ao aminโny ANMCC.
Nanentana ireo mpandraharaha ara-toekarena, indostrialy sy mpamokatra eto an-toerana izy tsy hisalasala hanatona ny ANMCC raha misy toe-javatra ilร na izany. Nanala ny ahiahinโireo mpanafatra entana koa ny Minisitra raha nilaza fa tsy hamono seha-pihariana efa mandeha no tanjona fa fantsarana ny tontolonโny fifaninanana.
