๐๐๐ฃ๐๐ค ๐ฉ๐ค๐ข๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฏ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ง๐ค๐, ๐๐๐พ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฟ, ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐๐๐ข๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ซ๐๐ง๐ฃ๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฟ๐๐ก๐๐๐๐จ๐๐ค๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐๐ข-๐๐ค๐ก๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ (๐๐๐).
Ireo mpikambana ao aminโny Governemanta notarihinโny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON no nandray ny Solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Kodjovi EKLOU sy ny mpiara-miasa aminy teny aminโny Lapanโi Mahazoarivo taminโity Talata 17 Novambra 2026 ity. Anisanโireo nandray anjara fihaonana ity ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Nifanakalozan-kevitra taminโizany ny momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa iarahanโi Madagasikara aminโny FMI dia ny Facilitรฉ รlargie de Crรฉdit (FEC), izay manohana ny fitoniana ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana, sy ny Facilitรฉ pour la Rรฉsilience et la Durabilitรฉ (FRD), izay mikendry ny fanamafisana ny fahafahanโny firenena miatrika ny fiovaovanโny toetrandro sy ireo fanamby maharitra.
Nojerena akaiky ihany koa ny momba ny fampifanarahana ireo fandaharanasa ireo aminโny laharam-pahamehana sy ny zava-misy ara-toekarena ary sosialy eto Madagasikara, ao anatinโny fanajana ny safidy sy ny politikam-pampandrosoana nasionaly.
Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa aminโny FMI, mba hahatonga ireo fanavaozana ara-toekarena sy ara-pitantanana hitondra vokatra mivaingana sy maharitra ho anโny firenena sy ny vahoaka Malagasy.
