𝙃𝙤 𝙧𝙖𝙞𝙨𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙤𝙧𝙞𝙣𝙖𝙨𝙖 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙠𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙣𝙮 ![]()
![]()
![]()
𝘼𝙧 𝙣𝙮 𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙠𝙞𝙡𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙡𝙚𝙩𝙞𝙨𝙞𝙖.
Hita ny marimaritra iraisana rehefa nisintona ny fivoriana natomboka hatramin’ny maraina ary niverina niresaka indray ireo mpisehatra amin’ny letisia tonga tao amin’ny efitrano fivorian’ny CCI Toamasina ny folakandro.
Ny Vondron’ireo mpanondrana letisia (GEL) no hampahafantatra io vidy 2000Ar amin’ny mpamokatra mba hifankahazoan’ny resaka sy hisian’ny mangarahara, araka ny nifanarahan’ireo mpandray anjara tamin’ny fivoriana izay nahitana ireo mpanondrana letisia mpikambana ao amin’ny GEL, ny mpamokatra sy mpanangom-bokatra mivondrona ao amin’ny APTCLT, ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsinanana ary ny avy amin’ny Faritra sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Toamasina sy Analanjirofo.
Ny Alakamisy ![]()
Novambra 2026 izao moa no hanomboka ny taom-piotazana ka haharitra 4 andro ny famenoana ny sambo voalohany ao Toamasina. Daty noferana araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny CTHT (Centre Technique Horticole de Toamasina) niainga tamin’ny fahitana ny fivoaran’ny famonin’ny letisia sy ny fampitahana ny zava-nisy tamin’ireo taom-piotazana teo aloha.
Nodinihina tamin’ity fivoriana tao Toamasina omaly ity ny momba ny vidin’ny letisia, ny fandanjana, ny fandraisana ny vokatra ary ny fombafomba ara-panjakana tsy maintsy hatao.
