𝙆𝙤𝙣𝙤𝙣𝙠𝙤𝙣𝙤𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙚𝙩𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙇𝙖𝙡à𝙣𝙖 𝙝𝙞𝙛𝙚𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖
Efa tafiditra tanteraka anatin’ny fiainan’ny Malagasy ny varotra elektronika indrindra amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy. Tsy maintsy arahina fitsipika sy antoka mazava ary andraikitra voafaritra mazava tsara anefa ny fivoarana haingana toy izao.
Etsy amin’ny Delta Hotels by Marriot Antanimena no nanatanterahana ny Atrikasa fakan-kevitra ho amin’ny fandrafetana Volavolan-dalàna mifehy ny varotra elektronika (E-commerce).
Nambaran’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON nandritra ny fanokafana ny Atrikasa fa » 𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘦𝘧𝘰 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘷𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢 𝘯𝘰𝘩𝘰 𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘭à𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘻𝘢𝘷𝘢, 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘥𝘳𝘢𝘳𝘪𝘯𝘺 ». Fomba nentiny nanehoana fa tena ilaina ny fametrahana Lalàna manokana mifehy ny varotra elektronika.
Kendrena tamin’ity atrikasa iarahan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny Tetikasa Pôles Intégrés de Croissance (PIC3) nanatontosa ity, nahazo ny fanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny fanangonana ny hevitra sy ny soso-kevitry ny mpisehatra, mba hamolavolana lalàna mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara.
Mifantoka tamin’ny lafiny ara-pitantanana, ara-ketra, ara-padin-tseranana, ara-bola, ary koa ny fiarovana ny fifanakalozana nomerika sy ny mpanjifa ny dinika.
Tanjona ny hananan’i Madagasikara Lalàna manokana mifehy ny varotra elektronika ao anatin’ny herintaona, izay hotohizana hatrany amin’ny fankatoavana sy ny fampiharana azy.
Mandritra ny 2 andro misesy moa ny anantaterahana ity atrik’asa ity.
