𝙉𝙞𝙩𝙖𝙙𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙫𝙖𝙤𝙫𝙖𝙤 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙚𝙠𝙣𝙞𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙫𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).
Mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy ireo firenena afrikana, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena sy ny varotra iny Fihaonana an-tampony fahatelo tany Moscou, nandraisan’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Mickaël RANDRIANIRINA anjara iny.
Tao anatin’izany dia nisy ny fihaonan’ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), notarihin’ny Tale jeneralin’ny Varotra Ivelany (DGCE) Tiava RAJOHNSON, tamin’ireo mpividy rosiana mety ho mpiara-miombon’antoka izay nampahalalaina ireo vokatra malagasy azo aondrana.
Nifantoka tamin’ny famantarana ireo tsena mety hahaliana sy ny fifanakalozan-kevitra momba ireo sakana amin’ny fidirana amin’ny tsena rosiana, toy ny fepetra takiana sy ny olana ara-pitaterana, ireo dinika ireo. Maro no nitsidika ny toerana natokana ho an’i Madagasikara nandritra ny fampirantiana izay natao nandritra ny hetsika natao tao Gosni Dvor.
Tanjona ny hanamafy ny fiaraha-miasa ara-barotra, hanala ireo sakana amin’ny fifanakalozana ary hanokatra tsena vaovao ho an’ny vokatra fanondrana malagasy.
