๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ โ๐๐จ๐ ๐ฃ๐๐๐ง๐๐ ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ก๐๐๐๐๐ ๐ง๐ค๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ฉ๐ค ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฏ๐๐ง๐ ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐ค๐ง๐ค๐ฅ๐, ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐, ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐๐จ๐๐ (๐๐๐) ๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ผ๐๐๐๐๐ผ๐๐ผ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐ง๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐๐ข๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ซ๐ฎ.
Roa herinandro monja taorianโny ยซ Assises nationales du litchi ยป notontosaina tany Toamasina dia nihaona taminโireo mpanafatra letisia malagasy mankany Eoropa, tao Parisy, indray ny delegasiona nahitana ny avy aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana sy ny Vondronโireo mpanondrana letisia.
Nisy ny fifanakalozana hevitra momba ny tsenanโny letisia, ny fenitra takianโny tsena eoropeana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana.
Naseho taminโireo mpanafatra taminโizany ny sori-dalana (feuille de route) sy ny fanavaozana kasaina hotanterahina, araka ny fehin-kevitry ny Dinika nasionaly momba letisia. Tanjona ny hanatsarana ny fandaminana sy ny fitantanana ny seha-pihariana, ny kalitao ary ny fifaninanana, sady hiantohana ny faharetanโny tsena. ยซ ๐ก๐ข๐ท๐ข-๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ณ๐ข๐ง๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐จ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ต๐ฐ๐ท๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ณ๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข, ๐ฌ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ฆ๐ฏ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ฆ๐ฑ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ฌ๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ฅ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐บ ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข-๐ฑ๐ช๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ช๐ด๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฌ๐ข๐ท๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ฐ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON.
Orinasa roa mpanafatra letisia mankany Eoropa ireto nihaona taminโny delegasiona malagasy ireto dia ny SIIM, mpiara-miombonโantoka hatry ny ela, sy ny ORSERO, izay mpanafatra vaovao taminโity taom-piotazana ity. Ankoatra ny fizarana ny letisia avy eto Madagasikara manerana anโi Eoropa, dia ezaka efa ataony koa ny fanohanana ireo mpisehatra malagasy, indrindra teo aminโny fanomanana ny taom-piotazana, na ara-bola na ara-pitaovana.
Nisy ihany koa ny fitsidihana ny toerana fikirakirana sy fanomanana ny letisia ao aminโny orinasa SIIM nandritra izao fihaonana tany Parisy izao.
Ny fanamby dia ny hitandroana ny fitokisanโireo mpiara-miombonโantoka sy ny fitohizanโny tsena, sady hanamafisana ny mangarahara, ny fitovian-jo ary ny fandaminana ny seha-pihariana. Mitaky fiaraha-mientana eo aminโny Fanjakana, ny GEL, ireo mpanondrana, ireo mpanafatra ary ny mpiara-miombonโantoka rehetra izany, mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana letisia malagasy.
