๐๐๐ฉ๐ค๐๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐๐ค๐ฃ๐๐๐ฉ๐ ๐ผ๐ข๐๐ค๐๐๐ข๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ก๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐. ๐๐ค๐๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ฉ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ฉ๐จ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ ๐ค๐ฏ๐๐ ๐๐๐ ๐๐ง๐๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐ ๐๐๐ค ๐๐ค ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐.
Nitatra teny amin’ny Orinasa Konecta eny Ambohimangakely ny fahavoazana vokatry ny fihinanana sakafo mankarary. Nalefa avy hatrany teny amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha sy OSTIE Ambohimangakely ireo tanora tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Ny mpikarakara sakafo ho an’ny mpiasa teny amin’ny Konecta Ivandry ihany moa no nisahana izany ho an’ny teny Ambohimangakely ary sakafo mitovy no naroso.
Vata fampangatsiahana roa mbola nisy sakafo no nanatanterahan’ireo Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana avy ato amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) fombafomba fanagiazana, tsy ho azo ampiasaina. Nohidiana tsy ho azo hidirana koa ny toeram-pikarakarana sakafo ho an’ny mpiasa.
