๐๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ค๐ก๐ค๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐จ๐ 20 ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐ค๐๐ค๐ง๐ค๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฉ๐๐ค ๐๐ง๐-๐ ๐๐๐ฎ ๐ข๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐, ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ค๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ-๐๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ (๐๐๐ฟ๐๐).
Nohamafisina nandritra ny lanonam-panolorana ireo fitaovana ireo ny maha-zava-dehibe ny teknolojia aminโny fanatanterahana ny asa ankehitriny. Fotoana koa nanehoana ny fanantenana aminโny hitohizanโny fiaraha-miasa eo aminโny Minisitera roa tonta sy aminโny sehatra hafa.
Nandray ireo solosaina taminโny anaranโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana ary nitondra ny teny fisaorana avy aminโny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON ny Talenโny Kabinetra Navalona ANDRIANAIVOJAONA. Natao moa ny antso ho aminโny fikajiana sy ny fanajana ireo fitaovana ireo, mba hahafahana mampiasa azy ireny amim-pahombiazana ho fampandrosoana ny asa eo anivonโny Minisitera.
Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ireo asa iombonana sy ny fifanohanana ara-pitaovana ny Talenโny Kabinetranโny MNDPT, Njivatiana RAKOTOARIVONONA.
Efa nisy solosaina 15 hafa voaray taminโny Minisiteranโny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra moa teo aloha.
