Nambaran’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sady Filohan’ny Filankevitra nasionaly momba ny kakao (CNC) Haingotiana ANDRIAMADISON, tamin’ny fanombohana ny fivorian’ny CNC tetsy Antaninarenina fa i Madagasikara, ankehitriny, no mitarika ny Filankevitry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny kakao na ICCO amin’ny alalan’ny Filoha lefitry ny CNC, Philippe FONTAYNE.
Hahafahana manamafy ny feon’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mampahafantatra ny lanjan’ny kakao malagasy izany.
Maneho hevitra ny Sekretera mpanatanteraky ny CNC Gregory RABESON, ny Filohan’ny Vondron’ireo mpisehatra amin’ny kakao eto Madagasikara (GACM) ary ny Filoha lefitry ny CNC sady Filohan’ny Filankevitry ny ICCO Philippe FONTAYNE.
